Politique

Raharaha Pds-Maire ao Toamasina Any amin’ny Filankevi-panjakana ny baolina


  • Talata 29 Jona 2010

«Miantona avy hatrany ny didy na fanapahana noraisin’ny fanjakana, vantany vao mipetraka ny fitoriana mikasika izany, mandra-pisian’ny fampilazana manokana ny didy izay avoakan’ny filankevi-panjakana.».

 Izay no voasoratra mazava ao anatin’ny andinin’ny faha-189-n’ny lalàna 2004-036. Taorian’ny fivoahan’ny didy hitsivolana laharana 27.915/2010 ny 16 jona 2010 nataon’i Jean, ministry ny atitany, dia ny 18 jona 2010 no efa tafapetraka eny amin’ny Filankevi-panjakana ny fanoherana sy fampiatoana ary fanafoanana ny fampiharana ity didim-pitondrana ity, nataon’ny Ben’ny tanànan’i Toamasina Rakotomanana Gervais. Raha arahina izany ny lalàna manan-kery eto amintsika, dia miantona avy hatrany aloha ny fampiharana ilay didin’ny ministeran’ny atitany nanendry ny PDS mandra-pivoakan’ny didy manaraka avoakan’ny Filankevi-panjakana mandritra ny fitsarana ampahibemaso sy hifanatrehana ataony.

Fantatra ihany koa anefa fa ny 23 jona 2010 teo, dia samy efa nahazo ny fampahalalana sy fampilazana (notification), avy amin’ny vaditany Me Rasamimaka Mahefaly, izany avokoa ny lehiben’ny Faritra Atsinanana Alain Mahavimbina, ny lehiben’ny distrikan’i Toamasina I Toalina Razafindrambary, ny PDS ny kaominin’i Toamasina renivohitra, Rakotovao Mariot Florent ary ny “receveur”-n’ny Trésor Public ao Toamasina, Razafimandroso Benjamin. Raha ny marina ka arahana ny lalàna misy eto amintsika momba ny fitantanam-panjakana, dia miantona aloha izany ny maha-PDS-n’ny kaominin’i Toamasina I azy telo mianadahy. Tsy azo atao ny mamoaka vola eny anivon’ny Trésor Public amin’ny maha “ordonnateur” ny PDS ary tsy afaka mikabary sy mitondra teny ny vahoakan’ny kaominina koa izy ireo. Ny lehiben’ny faritra sy ny lehiben’ny distrika no tokony hijery sy hanara-maso izay raha ny lalàna. Anisan’ny nanaovan’ny Ben’ny tanàna, Rakotomanana Gervais fanoherana ihany koa ankoatra ity didim-pitondran’ny ministeran’ny atitany ity, ny mikasika ilay didy laharana faha-02 navoakan’ny “Tribunal Administratif” tao Toamasina, noho ilay fitorian’ny lehiben’ny distrika Toamasina I, Toalina Razafindrabary mitondra ny laharana 203/DT/TOA.I/CTD ny 10 jona 2010, nefa tsy tonga teny amin’ny mpitantsoratry ny “Tribunal Administratif” raha tsy ny datin’ny 14 jona 2010. Fitsarana haingam-pandeha no natao nandritra izany satria 24 ora taorian’ny fahatongavan’ny fitoriana dia nivoaka ny didy faha-02 ny 15 jona ary tsy nampahafantarina izany ny Ben’ny tanàna raha tsy ny 48 ora taty aoriana dia ny 17 jona. Manginy fotsiny, araka ny fanazavana azo ny tsy fiantsoana ny Ben’ny tanàna hiaro tena amin’ny famaliana ny fitoriana azy, nefa ananany zo folo andro aorian’ny fipetrahan’ny fitoriana nataon’ny lehiben’ny distrika ny famaliana izany.
«Raha voamarina ny fahambangan-toeran’ny Ben’ny tanàna am-perinasa…dia ny seha-pitsarana misahana ny raharaha no mampahafantatra ny ministeran’ny atitany, ka ny ministera tompon’andraikitra no manomana fifidianana vaovao ao anatin’ny 60 andro aorian’ny fampahafantarana (notification) atao rehetra». Raha izay no voalazan’ny didy hitsivolana laharana 2007-001 ny 08 oktobra 2001 ao amin’ny andininy faha-117, dia tokony ho ny 15 aogositra 2010 izany dia hanomana fifidianana izay ho Ben’ny tanàna vaovao ny ministeran’ny atitany. Ny zava-misy anefa dia toa atao mody tsy fantatra ity lalàna manan-kery eto amintsika ity ary nampiharina amin’ny fanilihana ny Ben’ny tanàna Rakotomanana Gervais. Raha ny nambaran’ny PDS Rakotovao Mariot Florent mantsy dia «tsy natao hanao politika no nanendrena ahy ho PDS, fa mazava ny iraka nampanaovin’ny filohan’ny FAT ahy dia ny hanarina ny fahararian’ny kaominin’i Toamasina renivohitra». Midika izany fa ho nofy sy atao tsy hita ilay 60 andro, lalàna hanaovana ny fifidianana vaovao, ny fandaharam-potoana sy ny fandaharan’asan’ireo PDS rahateo koa efa nambara tamin’ny mpiasa.
 
Eny amin’ny Filankevi-panjakana ny raharaha ankehitriny. Miankina aminy ny hahasarotra ny raharaha Pds-Maire, na ny hahamora izany. Samy miandry izay hambaran’ireo mpitsara eo anivon’ny Fitsarana tampony ireo avokoa izany na ireo ekipan’ny PDS Toamasina, na ny Ben’ny tanàna voailika, na ny ministeran’ny atitany namoaka ny didim-pitondrana ary ny vahoakan’i Toamasina naneho ny safidiny nandritra ny fifidianana izay ho Ben’ny tanàna farany teto amintsika.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT