Ny talata 27 jona lasa teo no tokony hiakatra fitsarana tao Toamasina ny raharaha mahakasika ny fikasihan-tanana niniana nataon'ingahy Mojize Mohamed tamin’ny olona iray.
Ny zava-misy anefa, araka ny efa nambarantsika an-gazety, dia tsy eto an-toerana izy fa tafaporitsaka atsy amin'ny nosy rahavavy, andro vitsivitsy lasa izay, na dia efa namoahan'ny fitsarana didy tsy ahafahana mivoaka ny faritr'i Madagaikara (IST) aza. Azo heverina, fa nisy fiarahana mitsikombakomba nataona tompon'andraikitra sasany taminy matoa afaka nivoaka tsy nisy romoromo teny amin'ny seranam-piaramanidina ny lehilahy. Marihana fa tsy ity fikasihan-tanana olona ity ihany no fitoriana miandry azy fa maro be ary nahamailo azy, ka nahatonga azy nitsoaka tsy hizaka ny sazy. Sahiran-tsaina ireo vahoaka niharan'ny tsindry hazo lena nataon’ity vahiny ity hatramin'izay ao an-drenivohitr'i Betsimisaraka ao ary heverin'izy ireo ho very momoka ny dingana rehetra nolalovan'izy ireo raha izao no mitranga. Araka ny vaovao azo dia nisy ny fanapahan-kevitra navoakan'ny fitsarana amin'ny alalan'ny "renvoi" ny fitoriana, ka izay no hanairan'ireo olona ireo ny fanjakana foibe sy ireo manampahefana isan'ambaratongany hijery izao toe-draharaha izao satria mahakivy tokoa raha toa, ka olona henjehin'ny lalàna no mbola mahita lalana. Mino anefa ry zareo, araka ireny tenin'ny filoham-pirenena tamin'ny kabary nataony teny Mavoloha nandritra ny fety nanamarihana ny faha-57 taona niverenan’ny fahaleovantena ireny, fa hizaka ny sazy henjana izay tompon'andraikitra sy manampahefana manao antsirambina ny asany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.