Nanao famelabelaran-kevitra tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko Tiako I Madagasikara omaly antoandro ny Ankolafy Ravalomanana.
Vory atrika tao ireo lohandohany mpitarika antoko sy fikambanana politika mandrafitra ity Ankolafy ity, ka nitondra teny azy ireo i Manandafy Rakotonirina. Lohahevitra efatra lehibe lehibe, anisan’ny fototry adihevitra amin’izao fotoana, no nitondran’izy ireo fanehoan-kevitra dia ny fitsarana ny “raharaha 7 febroary”, ny fivorian’ny Filankevi-pilaminana sy fandriampahalemana (CPS) Vondrona Afrikanina natao tao Addis Abeba ny 06 sy 07 jolay teo, ny fifidianana ary ny fitantanam-panjakana amin’ny ankapobeny. Rehefa idiran’ny politika ny raharaham-pitsarana dia tsy mipetraka intsony ny fahamarinana, hoy Rtoa Ihanta Randriamandrato raha niresaka mikasika ny famerenana ny fitsarana ny “raharaha 07 febroary” izy. Aminy dia tetika ataon’ny FAT hisakanana ny fiverenan’Atoa Ravalomanana iny. Somary teknika ny fanazavana nentin-dRtoa Ihanta, ka nilazany fa tsy voahaja ny zon’ny voampanga, voahosihosy koa ny zon’olombelona tamin’ny nanatontosana iny fitsarana iny. I Roland Ravatomanga kosa no nampahatsiahy sy nanazava momba ny fivorian’ny CPS tany Addis Abeba farany teo.
Diso, hoy izy, ny fijery hoe very anjavony ny resaka Madagasikara satria dia nohenoina ny tatitra nataon’i Chissano fa i Simao no tsy hita ary nolavina tanteraka ny sori-dalany. Na izany aza, hoy Ravatomanga dia sady tsy mazava tamin’ny mpivory no mifanjevo ny tatitra nataon’i Chissano ka manamafy ny fanapahan-keviny ireo filoham-pirenena ao anatin’ny SADC, tsy inona izany fa izay tapaka tany
Notsiahiviny fa tato anatin’ny 20 taona dia iny fifidianana tamin’ny 17 novambra 2010 iny no ratsy indrindra ary ny nampiady foana teto dia ny tsy fanekena ny valim-pifidianana. Noho izany dia foana ny 17 novambra ary tsy manan-kery ny lalàmpanorenana nivoaka tamin’iny. Nilaza tranga iray niseho tamin’iny 17 novambra iny, Rakotomanjato Rodin ka nilazany fa maro ireo biraom-pifidianana tsy nivoha akory nefa nahazoana voka-pifidianana. Aoka ho fitondrana marim-pototra no hikarakara fifidianana, hoy i Koto ary aoka hohenoina ny hevitra hoentin’ny CNOSC sy ny FFKM fa tsy atao andranandrana. Rtoa Ruffine Tsiranana kosa no niresaka mikasika ny fahitan’ny Ankolafy Ravalomanana ny fitantanam-panjakana ankapobeny, ka nilazany fa ny maty sy maratra ary voaroba etsy sy eroa, tsy misy vahaolana mahomby atolotry ny FAT. Nambarany koa fa vao tsahom-baomba sy SMS fandrahonana dia hita ny ampitson’iny ny “nanao” izany nefa ny trafika “bois de rose” efa ho telo taona izao, tsy fantatra ny atidoha. Nanodidina ireo lohahevitra efatra ireo ny ventin-kabarin’ireo nandray fitenenana tao amin’ny Magro Behoririka omaly tolakandro.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.