“Tsy misy zavatra ratsy nataon’ny loholona Lylison René de Rolland teto anivon’ny Antenimierandoholona”, hoy ny Kestora I, Abdirassoul Mohamed Mourad
. Sehatra ivelan’ny Antenimierandoholona, hoy izy, no zavatra nanenjehan’ny fitondram-panjakana azy. Nanazava moa ny Kestora I fa misy tokoa ny fepetra ao anatin’ny fitsipika anatin’ny Antenimierandoholona izay mamaritra ny tokony hatao ho an’izay Loholona tsy nanara-dalàna tao anatin’ny andrim-panjakana. Ny birao maharitra, araka ny fanazavana hatrany, no mivory mandinika ny zavatra tokony hatao amina Loholona iray raha toa ka heverina fa misy tsy nety nataony fa eto dia ny tribonaly no namoaka didy fampisamborana ny loholona Lilyson.
Mbola manohy ny asany
Hatramin’izao izahay, hoy ny Loholona Abdirassoul Mohamed Mourad, dia tsy mbola naharay fitarainana avy any ivelany milaza ny nataon’ny loholona Lilyson. Sarotra aminay, noho izany, no haka fepetra raha tsy miandry fivoriana. Ao anatin’izay dia horaketina ao anatin’ny lahadinika ny fandinihana ny momba azy satria efa telo volana no tsy nahitana azy.
Zavatra mety misy koa dia manao ny asany amin’ny maha Loholona azy ihany izy any ambadika any. Tsy maintsy hisy ihany ny fivoriana manokana raha mitohy ny tsy fahatongavany. Rehefa vita ny fivoriana ara-potoana dia samy mandray ny asany avy any amin’ny faritra iadidiany ireo Loholona ary ny volana oktobra vao hihaona eto Antananarivo indray ny rehetra. Nomarihan’ity Kestora I ity teo am-pamaranana ny teniny fa alalana avy any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no hahafahana mampiato loholona iray amin’ny asany.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.