Politique

Raharaha «Fort Duchesne» Ny hevitry ny olona


  • Zoma 12 Martsa 2010

Na lazaina aza fa iray tsy mivaky ny tafika na koa ny zandary dia hita sy taratra tamin’ity herinandro ity fa tsy milamina ny eo anivon’ireo zandary, ireo mpitandro ny filaminana. Androany miala, rahampitso miverina, poa-basy, barazy, zavatra iainan’ireo mpitandro ny filaminana izany. Ny hevitr’ireo Parlemantera sendra anay

Randrianjatovo Henri : Voaporofo izao fa mitombina ny fametrahana ny tolona eo anatrehan’Andriamanitra. Miseho lany ny ady an-trano eo amin’ireo samy mpanongam-panjakana. Mbola hitranga ny zavatra hafa miafina mety mbola hivoaka. 

Razafindrakoto Harifanja : miha mitroatra ny vahoaka Malagasy, korontana no hita na any amin’ny fampianarana na fitsaboana, dia izao koa ny zandary. Ny vadin’ireo olona ireo tokony handresy lahatra azy ireo hanaiky ny marimaritra iraisana.
 
Serge Ratovondrainy : mariky ny tsy fahaiza-mitantana. Nampitomboina ny karaman’ny miaramila sasany dia tsy voafehy. Didy jadona, toy ny famindran-toerana no mahazo izay tsy mitovy hevitra amin’ny FAT. Misy tsindry hazo lena ao. Taratry ny ho avy dia ny vola sy ny hery na basy ananan’ny mpanongam-panjakana ireny  
 
Zafilahy Stanislas : zavatra efa ela nikotrika tao ireny ary tsy vitan’ny hoe resa-bola. Pitik’afo ihany fa ny zavatra marina dia te hametraka izay nifanarahana ireo zandary hoe tsy manao politika ny foloalindahy, tsy hampifangaro ny fampiandaniana izay lasa mibaiko satria ho azy ireo dia ny Tanindrazana sy ny lalàna no mibaiko. Fitaratry ny fiainan’ny fianakavian’ny mpitandro ny filaminana ireny.
 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT