Mifamahofaho be ihany ny raharaha Fort Duchesne. Resa-bola, 500 tapitrisa ariary no “nampitobaka ny rano” ka nahavoaton-doha ireo lehibe mpifehy isan’ambaratonga eo anivon’ny zandary.
Tsy nahita vahaolana hafa ankoatra ny fametraham-pialana ny jeneraly Zafera Viennot, lehiben’ny hery vonjy taitra (FIGN) manoloana ny raharaha mampifanolana ireo zandary eo ambany fahefany sy ny kaomandin’ny zandary ny jeneraly Razafindrakoto Wilfrid. Hafahafa ny fandehan-draharaha. Niamboho adidy ny jeneraly. Raha ny fandre sy fahita, ary fiainana miaramila rahateo, tsy misy jeneraly mitsoaka an-daharana izany ka hamela ny miaramila irery eo. Fa nitranga izy tamin’ity. Omaly maraina no napetraky Zafera Viennot teny amin’ny fiadidiana ny Praiminisitra ny taratasy fametraham-pialany ary nihazo ny toby eny Fort Duschesne izy avy eo nanao tatitra ny fanapahan-keviny tamin’ireo zandary miasa eny an-toerana. Omaly vao mangiran-dratsy anefa dia mbola nisy ny fihaonan’ny jeneraly Zafera tamin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, ny jeneraly Ravelomanana Claude nitadiavam-bahaolana farany saingy tsy nahitam-bokany izany.
Nanosika azy amin’izao fanapahan-kevitra izao ny fandrangarangana fampiasan-kery nasetrin’ny jeneraly, minisitry ny foloalindahy, Rakotonandrasana Noel nandritra ny fihaonan’izy ireo ny faran’ny herinandro teo. “Amin’ny maha raiamandreny ny minisitra dia nentinay teo anatrehany ny olana kanefa raha vahaolana no nandrasana taminy dia fandrahonana sy ady no narangarangany amin’ny fandefasana fiara mifono vy. Aleoko milefitra satria tsy misy manana tombontsoa amin’ny fifamonoan’ny samy zandary sy miaramila. Raha sanatria tokoa mantsy misy izany ady izany dia hiditra eto ireo miaramila mpanelanelana vahiny izay tsy hahasoa na iza na iza mihitsy” hoy ny jeneraly Zafera. Manana andraikitra amin’izao raharaha izao koa, hoy izy ny Bianco izay tsy namoaka ny marina rehetra momba ireo olona nandray ilay vola 500 tapitrisa Ariary fa nionona fotsiny tamin’ny fanambarana ny fisian’io vola io avy amin’ny filoha teo aloha. Nohamafisiny fa raha ny rariny sy ny hitsiny dia tokony hametra-pialana koa ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny foloalindahy ireo satria mandritra ny fitantanan’izy ireo no mampisy izao olana izao. “Izaho aza tsy tompon’andraikitra mivantana tamin’ity raharaha ity niala ka tsy hitako izay antony mbola hijanonan’ny jeneraly Razafindrakoto eo amin’ny toerany”.
Omaly tolakandro ihany dia namory ireo komandin’ny fari-piadidian’ny zandary amin’ny faritany mizakatena enina teo aloha niaraka tamin’ny lehiben’ny vondrotobim-paritry ny zandary miisa 22 tao Mahazoarivo ny Praiminisitra Vital, niaraka tamin’ireo avy amin’ny komandin’ny zandarimariam-pirenena. Nanatrika ny fivoriana ny jeneraly Zafera. Tsy teo kosa ny jeneraly Razafindrakoto Bruno, fa ny lefiny no nanatrika ny fivoriana. Re fa dia niravona ny raharaha Fort Duchesne, miverina amin’ny toerany ny Jeneraly Zafera ary dia hisy fanambarana hatao eny an-toerana amin’ity anio ity. Eo no manahirana amin’izy ity noho izy raharaha miaramila.
Fandrahonana
Manoloana ny fametraham-pialan’ny jeneraly Zafera dia nanamafy ireo manamboninahitra ao amin’ny FIGN fa tsy hilefitra amin’ny fitakiany izy ireo, dia ny fametraham-pialan’ny kaomandin’ny zandary. “Ny olona izay anaovana fanadihadiana dia tokony hesorina amin’ny toerana raha ny lalàna eto anivon’ny zandary”, hoy ny kolonely Jaonary Théodore. Ho azy dia tsy ny resa-bola loatra no antony mampisavorovoro ny zandary eo anivon’ny hery vonjy taitra fa noho ny toe-tsaina mamitaka sy manararaotra ny hafa ary ny fanambaniana. Nohazavainy fa efa indroa niverina teny anivon’ny FIGN ny kaomandin’ny zandary hatramin’ny nielezan’ity resa-bola ity ka tamin’ny 08 janoary 2010 lasa teo ny farany. “Fandrahonana no nataony anay raha vao nivoaka ilay resaka. Notanterahany tokoa izany satria nalefany amin’ny toeran-kafa avokoa ireo manamboninahitra rehetra teto ka roa lahy sisa izahay no tafajanona rehefa tsy nety nandeha”, hoy ihany ity kolonely ity. Ankoatra izay dia nambarany fa 700 sisa ireo zandarin’ny FIGN raha 1500 izy ireo teo aloha. Tsy nanaiky lembenana anefa izy ireo fa nanomboka io 08 janoary io dia tsy nandray baiko avy tamin’ny kaomandiny intsony ireo zandary ao amin’ny Fort Duchesne. Nasian’ireto manamboninahitra ireto resaka koa ny fivarotana ny tanin’ny zandary ao Sakaramy sy ny fandraisana mpianatra zandary farany teo izay mamofompofona kolikoly satria tsy nanana laharana fisoratana anarana akory ireo mpiadina. Farany dia nanamafy izy ireo fa tsy mila mpisolo toerana ny jeneraly Zafera raha tsy milamina ity resaka ity. Baiko avy amin’ny lefitry ny lehibeny izay nametra-pialana ihany koa no horaisiny.
Mody an-dakazerina
Tsy niandry ela ihany koa ireo manamboninahitra lefitra eo anivon’ny toby Fort Duchesne. Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo omaly izay manome fe-potoana 24 ora ireo manamboninahitra lefitra miasa ivelan’ny Fign hiverina an-dakazerina. Miantso ny zandary tsy ankanavaka koa izy ireo handinika tsara manoloana ity raharaha mahamenatra ity. Tsy rariny, hoy izy ireo ao anatin’ilay fanambarana raha avela hiasa malalaka ny lehibe na dia manao ny tsy mety aza kanefa fonja sy famindran-toerana no mahazo ny madinika raha manao hadisoana na dia kely aza.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.