Mbola mitohy ity resaka FIGN ity hatramin’izao. Omaly dia natolotra ny fampanoavana ny lietna kolonely Andrianjafy Raymond. Tokony ho tamin’ny 4 ora hariva no tonga teny amin’ny lapan’ny Fitsarana ny fiara 4x4 pick up roa miloko fotsy feno zandary nitondra ny kolonely Raymond sy ireo voarohirohy tamin’ny raharaha FIGN.
Zandary 12 no naiditra am-ponja omaly tamin’ireo 16 natolotra ny Fampanoavana. Ny roa lietna kolonely ka anisan’izany Andrianjafy Raymond, ny efatra kapiteny roa sy lietna roa ary ny enina dia manamboninahitra lefitra avokoa. Ireo miaramila telo sy ny vehivavy iray kosa nahazo fahafahana vonjimaika. Nafenina ny endriky ny kolonely Raymond kanefa efa fantatra mialoha fa omaly izy no natolotra ny Fampanoavana. Nampanaovina blouson be miloko maitso izy ary nampanaovina sarontava ihany koa.
Tamin’iny alakamisy nisian’ny fifampitifirana teny Mausolée iny dia kolonely iray no mitantara fa tsy anisan’ireo zandary niaraka tamin’i Raymond mihitsy ireto manamboninahitra telo ireto. Ny iray dia tena tsy tao an-toerana mihitsy tamin’io fa mipetraka any ivelan’ny toby. Ny roa kosa dia niaraka tamin’ny jeneraly Zafera sy ity kolonely mitantara hatramin’ny farany.
Omaly kosa teny amin’ny toby FIGN dia nanao rassemblement lehibe mihitsy ny teny. Tamin’izany no nahalalana fa zandary roa sisa no tsy hita hatreto ankoatra ireo 4 efa nampidirina am-ponja. Izany GP2C Fikisy Lydie sy Relava izany no anaran’izy ireo.
Ankoatr’izay kosa dia nesorina avokoa ny fitaovam-piadiana rehetra teny amin’ity Toby ity. Samy miandry ny tranony tsirairay ny zandary ety izao, araka ny fanampim-baovao. Manomboka anio dia mety ho ireo zandarin’ny GSIS avy eny Ivato izay sampan’ny FIGN no hiambina eny an-toerana. Hatramin’ny fotoana nanoratana moa dia tsy mbola vita ny fihainoan’ny mpitsara zokiolona ireo olona ireo teny amin’ny Fitsarana. Famonoan’olona, fanonganam-panjakana, firaisana tsikombakomba ary fanohintohinana ny fitondram-panjakana kosa no vesatra miandry ireto voarohirohy ireto.
Fa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.