Politique

Raharaha Ezekiela Hanamaloka ny fifandraisan’ny andrim-panjakana


  • Alakamisy 14 Jolay 2011


 Nitondra ny heviny mikasika ilay raharaha «bois de rose» mahavoarohirohy mpikambana iray ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, ny filohan’ity andrim-panjakana ity, Raharinaivo Andrianatoandro. Nambarany fa tsy hisalovana na hitsabaka amin’ny asan’ny Fitsarana ny tenany mikasika io raharaha io, saingy nanisy fanamarihana fa tsy voahaja ny andininy faha-7 amin’ny didy hitsivolana 2010-010 tamin’ny 10 oktobra 2010 manangana ny Kongresin’ny tetezamita, izay manipika ny tokony hisian’ny fifanajana eo amin’ny fifandraisan’ny andrim-panjakana amina toe-javatra toy izao. Aminy, araka io andininy io, dia tokony ho nampahafantarina ny birao maharitry ny Kongresy raha misy mpikambana ao aminy mifaningotra amina raharaha manokana. Tsy fiarovana tsimatimanota, fa kosa maha sarotiny amin’ny maha Parlemantera, hoy Raharinaivo. Izay, araka ny fanazavany, no nandefasan’ny taratasy fangataham-panazavana any amin’ny Bianco sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, hampazava ny fitsipi-dalao. Mety hanamaloka ny fifandraisan’ny samy andrim-panjakana, araka izany, ity raharaha ity.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT