Azo ambara hoe afaka madiodio tamin’ilay raharaha fanolanana mpiasana hotely goavana tao New York Atoa Dominique Strauss Khan (DSK) satria voaporofo izao fa nandainga sy niovaova fanambarana ihany ilay Ramatoa antsoina hoe Nafissatou Diallo izay nilaza fa naolan’ity tale jeneralin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena teo aloha ity tao amin’ny efitrano nipetrahany tao amin’ny Sofitel – New York. Ny sabotsy 02 jolay lasa teo dia efa afaka niaina malalaka tsy ambenan’ny mpitandro ny filaminana intsony ary tsy manao ilay «bracelet électronique» intsony i DSK ary afaka mandeha amin’izay toerana tiany aleha. Ny gazety mpiseho isan’andro New York Times moa no namoaka voalohany ny zavatra tsy mazava nataon’i Nafissatou Diallo, satria nisy ny horonam-peo tamin’ny fifampiresahana an-telefaonina nataon’ity vehivavy ity tamin’ny vadiny faharoa izay any am-ponja ankehitriny. Raha adika tsotsotra ny ampahany amin’io resaka io dia milaza hoe : « … aza matahotra fa fantatro tsara ny zavatra ataoko, manam-bola be io lehilahy io ary hitako ny hanaovana azy». 24 ora taorian’ny voalaza fa nanolanan’i DSK azy no nifampiresahan’i Nafissatou Diallo an-telefaonina tamin’ilay vadiny, ary herinandro taty aoriana no tonga teo am-pelatanan’ny manampahefana mpanao fanadihadiana io horonam-peo manaporofo ny tetika maizina hanagadrana sy hakana vola amin’i DSK io. Ankoatr’izay dia nambaran’ny mpanao gazety Amerikanina ihany fa mpanao trafikana zava-mahadomelina ary miray petsapetsa amin’olon-dratsy ilay vadin’i Nafissatou Diallo ka mampanahy ny zavatra nambaran’ity farany. Tao mihitsy aza no nilaza fa efa fomban’ity vehivavy ity mihitsy ny mivaro-tena sy mamitaka lehilahy mba hahazoany vola, ary dia voaporofo koa moa fa tsy mifanaraka amin’ny karamany isam-bolana mihitsy ny fomba fiainan’i Nafissatou Diallo andavanandro, izany hoe misy fidiram-bola tsy mazava hafa izany izy. Niara-nisakafo tao amina hotely fanta-daza ao New York niaraka tamin-dRtoa vadiny Anne Sinclair avy hatrany moa i Dominique Strauss Khan ny faran’ny herinandro teo rehefa nahafantatra fa afaka madiodio izy ary tsy hohelohin’ny fitsarana ao New York intsony. Ny nanaitra ny mpanara-baovao tamin’ity raharaha DSK ity dia nihazakazaka be ilay izy. Nisy ny fitarainana napetraka tany amin’ny polisy sy ny fitsarana. Tsy nisy adihevitra fa tonga dia nosamborina sy nopetahana rojovy ny Tale jeneralin’ny FMI, naseho gazety sy fahitalavitra. Nanangam-bovona ny mpisolovava ilay vehivavy nambara fa voaolana ka niantso vavolombelona vehivavy hafa izay mety efa naolan’i DSK. Nihazakazaka koa ny fitsarana nambara fa manodidina ny 74 taona an-tranomaizina no miandry azy. Tampotampoka teo anefa dia nivoaka indray ny porofo milaza fa mpandainga i Nafissatou Diallo koa dia afaka i Dominique Strauss Khan, izay efa tsy afaka ho kandida intsony amin’ny fifidianana filoham-pirenena any Frantsa satria efa nanomboka ny fifidianana savaranonando ao amin’ny antoko sosialista. Ny nanaitra ihany koa dia nafahana i DSK taoriana kelin’ny nanendrena an’i Christine Lagarde ho tale jeneralin’ny FMI, minisitry ny toekarena Frantsay teo aloha, ary olona tena akaiky ny filoha Sarkozy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.