Politique

Raharaha Claudine Razaimamonjy Miditra an-tsehatra ny iraisam-pirenena


  • Zoma 14 Aprily 2017

Mitohy hatrany ny fanohanan’ny sehatra iraisam-pirenena ny Bianco.

Tontosa omaly ny fanoloran’ny masoivoho Frantsay ireo fitaovana momba ny informatika ho an’ity sampandraharaha miady amin’ny kolikoly ity. Ny Ambasadaoro Veronique Vouland mihitsy no nitarika ny delegasionina. Tazana teny Ambohibao ihany koa omaly ny vondrona Eoropeanina sy ny Afrikanina. Fa omaly ihany dia nitsidika ny tale jeneralin’ny Bianco  Jean Louis Andriamifidy ny masoivoho Amerikanina  Robert Yamate, ka naneho ny fanohanan’ny Amerikanina ireo ezaka nataon’ny Bianco hampanjakana ny tany tan-dalàna. Midika zavatra maro izany ary maneho fa ao ambadiky ny Bianco ny sehatra iraisam-pirenena manoloana ny mety ho hevi-petsy sy paikady maloto tadiavin’ny fanjakana HVM hamotehana ity rafitra ity na ny mpikambana ao anatiny noho ny fanelingelenana ny fanjakan-jiolahy ampiharina eto.

Tsy maintsy tsaraina i Claudine R

Nandray ireo mpitarika ny Sendikan’ny Mpitsara SMM ny mpanolotsaina voalohan’ny masoivoho Amerikanina Stephen Anderson ary naneho tamin’izy ireo ny fanohanan’ny masoivoho ny ezaka raisin’izy ireo ho fampanjakana ny tany tan-dalàna. Mifandraika amin’izay ihany, dia nanambara ny masoivohon’i Etazonia Robert Yamate omaly ihany fa “manantena izy ny hodian-dRtoa Razaimamonjy amin’izay satria efa tsara ny fahasalamany. Manana andraikitra izy ny hiverina eto sy hiaro tena ary hamarana ity raharaham-pitsarana mahakasika azy ity hiantohana ny maha raharaha manara-drariny sy mangarahara azy. Ny fodiany no hahafahana mamarana sy manakatona ity raharaha ity.” Mikasika ny fizotry ny raharaham-pitsarana izay niantomboka tamin’ny fanadihadiana nataon’ny BIANCO, ary ny famaranana ny fanadihadiana nataon’ny Fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly (CPAC), dia nilaza ny masoivoho Amerikanina fa “aleo handeha araka ny tokony ho izy ny raharaha, ary aleo arahana sy hajaina ny tany tan-dalàna, ary tsy maintsy hajaina ny asa nataon’ny Bianco. Tsy tokony hohadinoina koa fa tsy misy olona meloka mialoha ny hivoahan'ny didim-pitsarana ary tokony hohajaina izany. Nanamafy io masoivoho io fa tokony hitohy ity raharaha ity. Gaga sy talanjona kosa ny masoivoho Frantsay Veronique Vouland, raha haravona ny fanambarany satria efa nisy ny didy nivoaka amin’ny hampidirana an’i Claudine am-ponja vonjimaika, kanefa mbola nahavita nandositra ihany izy. Omaly ihany koa dia nanao fanambarana ny Transparency International, ka nameloka ny teritery sy sy tsindry hatao amin’ny Bianco, ary naneho fa misy ny fifangaroana eo amin’ny fahefana mpanao lalàna sy mpanatanteraka amin’io raharaha io. Nanamafy ihany koa fa ambanin’ny lalàna ny olon-drehetra ary tsy azo ekena ny tsimatimanota.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT