Politique

Raharaha Claudine Razaimamonjy Aoka halalaka ny fitsarana, hoy ny Amerikanina


  • Alarobia 26 Aprily 2017

Antenaina fa ho salama tsara Rtoa Claudine Razaimamonjy ary hitohy araka ny tokony ho izy sy araka ny lalàna velona eto Madagasikara ny fanadihadiana momba ny raharaha mahakasika azy ,

hoy ny masoivoho Amerikanina Robert T Yamate tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly , raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy nandritra ny lanonana fanokafana ny « America Week ». Tsy tokony hisy ny fanembantsembanana ny asan’ny fitsarana, tsy  tokony hidiran’ny politika sy ny tsindry ny mpitsara fa avela hanao ny asany malalaka momba io raharaha Claudine Razaimamonjy io, hoy hatrany ny masoivoho Amerikanina. Mety efa nampoizin’ny mpitondra fanjakana angamba io fanambarana io fa dia tsy nahitana mpikambana tao amin’ny governemanta na dia iray aza ny lanonam-panokafana ny « America Week »   tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly maraina. Ho fanamarihana ny faha-150 taonan’ny nanaovan-tsonia ny fifanarahana ara-diplomatika voalohany teo amin’i Etazonia sy Madagasikara anefa ity hetsika haharitra roa andro ity. Farafaharatsiny mba tazana teny an-toerana nisolotena ny fitondrana foibe sy ny governemanta ny minisitry ny raharaham-bahiny Atallah Béatrice rehefa tsy ho avy ny praiminisitra sy ny minisitra hafa, saingy tsy tazana teny amin’ny lapan’ny tanàna ny lehiben’ny diplaomasia Malagasy, solontenany no nalefany teny. Iaraha-mahalala tsara anefa fa mafonja ary manana ny maha izy azy ny fifandraisana sy fiaraha-miasan’i Etazonia sy Madagasikara. Misandrahaka amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta, anisan’izany ny ady amin’ny tazomoka, ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny momba ny rano, ny fanampian’ny sampandraharaha Amerikanina momba ny Fampandrosoana na ny USAID. Misongadina ny tohana ara-pahasalamana ho an’ny 64%-n’ny Malagasy. Eo koa ny famatsiana vola sy fanampiana ny olona sahirana any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy izay efa nandaniana 36 tapitrisa dolara hatramin’ny taona 2014 no ho mankaty. Nanampy ny tantsaha Malagasy koa ny firenena Amerikanina ary tsy manao ambanin-javatra ny ady amin’ny fanondranan’olona any ivelany. Mbola eo ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fanaraha-maso ny fari-dranomasina ary ny asa sosialy sy fanampiana ny any ambanivohitra ataon’ireo “Peace Corps”.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT