Tsy mifanalavitra firy amin’ny raharaha Antsakabary nanjo ny minisitry ny polisim-pirenena ny raharaha «Claudine A&C», hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha teo aloha Rabenandrasana Nicolas.
Tsy fanarahan-dalàna tsotra izao ny fanambarana miharo tery vay manta nataon’ny minisitra mpitantana ny tombokasem-panjakana Andriamiseza Charles ho famoahana ny mpandraharaha mpanefoefo Claudine Razaimamonjy mbola tao anatin’ny fotoanan’ny fanadihadiana. Mazava be tamin’iny fihetsiny iny moa ny ho tohin’ny tantara izay iaraha-mahita dia ny fahafahan’ity mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika ity nitsoaka sy mialokaloka any ivelan’i Madagasikara ankehitriny. Mpahay lalàna ny minisitry ny Fitsarana ary mahalala tsara ny baiko azo tanterahana sy ny fanapahan-kevitra mifanohitra amin’ny lalàna, araka ny fanehoan-kevitr’ity mpitarika ny sendikan’ny mpiraki-draharaha teo aloha ity. Tompon’andraikitra feno ihany koa amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ka rariny sy hitsiny ny fanalana azy eo amin’io toerana io, hoy ny fanampim-panazavany.
Ramano F.
.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.