Mijoro ho Raiamandreny amin’ny fotoana rehetra ny filoham-pirenena.
Io no fehezantenin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina raha nanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny raharaha Razaimamonjy sy nandritry ny kabary nataony tamin’ny lanonam-pitokanana ny fanavaozana ny EPP Andrefan’Ambohijanahary omaly. Fanesoana sa fandatsana ny vahoaka ny nahasahiany nilaza izany tamin’ny kabariny fa mijoro hiaro ny Malagasy sy ny tombontsoan’ny rehetra ny tenany ? Sahy nilaza ho tompon’andraikitra amin’ny tsy fahazavan’ny raharahana kolikoly sy fanodinkodinam-bola avo lenta niseho tato ho ato amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany eto amin’ny tany sy ny firenena azy ary ve ny filoha ? Raiamandreny tsy mahatapak’ahitra ve izy ka tsy mahavita nibaiko akory, amin’ny maha filohan’ny foloalindahy azy, ireo mpitandro ny filaminana mifehy ny sisintany sy ny fitsarana tamin’ireny raharaha marobe tsy mbola mahatonga ny famatsiam-bola hatramin’izao ireny ?
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.