Politique

Raharaha « bois de rose » : Voarohirohy ao i Andry Rajoelina ?


  • Alatsinainy 08 Novambra 2010

Nisy raki-tsary nalefan’ny Global Witness sy ny Environmental Investigation Agency naneho fa milaza ho manana fifandraisana mivantana amin’ny filohan’ny FAT ireo sinoa mpivarotra ny andramena na ny bois de rose avy aty Madagasikara.

 Tranga maro no nasehon’ilay fanadihadiana niafina ary dia samy nanamafy ireo mpivarotra sinoa fa dia manam-pifandraisana amin’ireo mpitondra ambony eto amintsika. Araka ny fanazavan’ireo mpanao fanadihadiana dia misy an’izany ingahy Lu izany, tompona orinasa mpanafatra entana ao Guangzhou naman’ingahy Rajoelina ary hatreto dia andramena any amin’ny 1000 kaontenera mahery no efa naondrany. « Misy fotoana tsy manam-bola handoavana ny karaman’ireo mpiasam-panjakana ny fanjakana dia voatery mivarotra ireo hazo sarobidy hanefana izany», hoy ihany ingahy Lu nanoloana caméra miafina tao anatin’ilay horonantsary fanadihadiana. « 45 000 dolara mahery no asain’ny fanjakana malagasy aloa isaky ny kaontenera, ankoatra izay ireo haba sy hetra isan-karazany », hoy ihany izy nanohy.

Ankoatra ny maha mpandraharaha azy amin’ny fanondranana entana dia tompona hotely sy casino iray aty Madagasikara ny tenany ary misy ministra maromaro amin’izao mpandeha amin’io casino an’ingahy Lu io. Ankoatra an’ingahy Lu dia eo koa Rtoa Liu Hongyu, tompon’andraikitry ny Meheco izay orinasa mpamongady andramena manana ny foibeny ao Beijing. Nilaza ny tenany, tamina caméra niafina ihany fa dia ny ‘filohan’i Madagasikara’ no mifandraharaha mivantana aminy. Araka ny fanambaran’izy ireo ihany dia ireo kaompania 2 ireo no nanondrana ny 60%-n’ireo andramena aty Madagasikara. Ilay horonantsary fanadihadiana ihany no naneho ireo mpaninjara sinoa, mpanao fanaka vita amin’ny andramena ny amin’ireo fombafomba tokony harahina amin’ny fanondranana tsy ara-dalàna any Etazonia. Araka izany dia tambajotra tena matanjaka ny mikirakira ny andramena avy aty Madagasikara.  

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT