Politique

Raharaha «bois de rose» Hanao ampamoaka ny Kongresin’ny tetezamita


  • Alarobia 13 Jolay 2011

Miray hina ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita manoloana ny fisamborana sy fitanana am-ponja ny namany, Ezechiel, izay voarohirohy tamin’ilay «bois de rose» enina kaontenera sarona tany Maorisy farany teo.

 Taorian’ny fivoriana naharitra roa andro tetsy Tsimbazaza dia namoaka fanambarana  ireo mpikambana sasany mbola eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izay mitaky tsy misy fepetra sy tsy misy hatakandro ny famoahana ity filohan’ny Vondrona parlemantera «Jeunes Escopol» ity. «Tsy tomponandraikitra amin’izay fandikan-dalàna na tsia nataon’i Ezechiel izahay fa ny sambo-dokotra natao azy no toherinay. Avoahay aloha izy dia araho ny lalàna velona», hoy i Voninahitsy Jean Eugène, filohan’ny «cellule de crise» natsangan’ny parlemantera noho ity raharaha ity.

Nanamafy ireo mpikambana ao amin’ny tetezamita fa tsy azo samborina ny parlemantera mandritra ny fotoam-pivoriana araka izay voalazan’ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-73. Raha misy koa anefa ny fahatrarana ambodiomby dia azo atao ny misambotra izay mpikambana ipetrahan’ny ahiahy raha toa ka nampilazana mialoha ny birao maharitra. «Samy tsy nisy narahana anefa izany», hoy hatrany i Voninahitsy. Notsindrian’i Zakahely Boniface, filoha lefitry ny “cellule de crise” koa fa ny didy hitsivolana nananganana ny Kongresin’ny tetezamita sy ny lalàna anatiny mifehy ity andrim-panjakana ity koa dia samy mametraka ny tsy fahafaha-misambotra ny parlemantera. Niaiky moa ity farany fa amin’ny parlemantera voafidim-bahoaka ihany no iharan’ireo lalàna isan’ambaratongany ireo saingy amin’ny maha olomboatendry manatanteraka ny asan’ny olomboafidy azy ireo dia mizaka ny zo aman-kasin’ireo nolovainy izy.

Voakitika noho ity raharaha mahazo ny namany ity ny Kongresy ka nanangana eo anivon’ity andrim-panjakana ity ny vaomiera iray hisahana ny fanadihadiana momba ny tena atidoha manao ny fandrihapana sy ny fanondranana andramena eto amintsika. Tsy nisy olomboafidy ato anatin'ny tetezamita, hatrany amin'ny faratampony ka hatrany amin'ny farany ambany, fa samy nifanendritendry teo avokoa ka tsy tokony hifanao sambo-dokotra fa tokony hanaraka ny lalàna misy", hoy i Voninahitsy Jean Eugène. Nisy ny filazan'ireto CT ireto fa misy tompon'andraikitra ambony ao amin'ny fanjakana fantatra fa manao ity asa ratsy ity saingy tsy nosamborina ary narovana mafy aza ! Tsy nety nilaza ny anaran'ireo olona ireo anefa izy ireo raha nanontanian'ny mpanao gazety ary nanambara fa mbola hihaona amin'ny tompon'andraikitra ambony. Hita soritra tanteraka amin’izany ilay "tia kely" satria hifampiresaka aloha dia … hangina ho azy ny vava ary hatsahatra ny fitakiana.

 

Yves sy Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT