Politique

Raharaha baomba Telo nahazo LP, tsy nipoitra ry Raharinaivo


  • Zoma 15 Oktobra 2010

Efitrano fitsarana roa no indray nandehanan’ny raharaha baomba sy fanohintohinana ny filaminana anaty, omaly tetsy Anosy. Ny efitrano fahefatra sy fahadimy izay samy fitsarana ny ady heloka bevava tsotra no nanatontosana an’izany.

Tao amin’ny efitrano fahefatra dia ireo bokonozatra miisa dimy no notsaraina tao. Voarohirohy tamin’ny fandorana ny fiaran’ny Jirama (teo ampitan’ny Hjra) tamin’ireny krizy ary koa fitifirana polisy mpitsikilo (teo anoloan’ny statistika tetsy Anosy) izy ireo. Fanohintohinana filaminam-bahoaka, fitazomana basy tsy nahazoana alalana ary fikambanan-jiolahy no fiampangana azy dimy lahy ireo. Nahemotra amin’ny andro tsy voafaritra ny fitsarana satria mbola misy ny fanadihadiana mbola hatao. Tao amin’ny efitrano fahadimy indray, ary nandrasan’ny maro, dia ny fitsarana ireo izay voarohirohy ho nanapoaka baomba sy atidoha nikotrika. Anisan’ny tazana teny ny solombavambahoaka Rakotoarison Yves Aimé (Tolagnaro), Leriva Manahirana (Brickaville) sy ny Loholona Rakotoamboa Jean Louis. Momba ity raharaha ity indray dia fantatra fa 74 no voarohirohy. Ny 26 tamin’ireo no tokony hotsaraina omaly, anisan’ny voatonona tao Raharinaivo Andrianatoandro, mpitondra tenin’ny TIM teo aloha, i Fidison Mananjara na Rasomotra sy Alain Andriamiseza, izay tsy tonga teny an-toerana akory. Ny 13 ihany no tonga nanatrika ny fitsarana azy ireo.

Anisan’ny nentin’ny mpiaro ny voampanga ny amin’ny hanemorana ny fotoam-pitsarana izany satria marobe tamin’ireo olona voarohirohy ireo no tsy mahafantatra akory ny raharaha mahakasika azy ireo ary koa tsy voaantso. Tao anatin’izay ihany koa no neken’ny lehiben’ny fitsarana ny fanomezana fahafahana vonjimaika ny telo tamin’ireo voarohirohy, araka ny fangatahan’ny mpisolovava azy ireo. Rehefa nisintona ny fitsarana dia nanapa-kevitry ny hanemotra ny fotoam-pitsarana amin’ny andro tsy voafaritra. Na izany aza, efa nanambara sahady ny lehiben’ny fitsarana ady heloka bevava tsotra fa amin’ny alatsinainy izao dia efa hisy indray ny hotsaraina momba ity raharaha fametrahana sy fanapoahana baomba ity. Horakoraka be ny an’ireo fianakavian’ny voarohirohy sy koa ny an’ireo olona izay nahatsapa fa fitsarana politika indray ity mandeha ity. Amin’io alatsinainy io no fantatra fa hantsoina any amin’ny fitsarana amin’izay ireo lohandohan’ny mpisorona TIM. Tantara mitohy… 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT