Nanome famelan-tsazy 15 andro ho an’ireo miaramila, zandary ary polisy voasazy ara-miaramila ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita nandritra ny 26 jona, nankalazana ny fetim-pirenena.
Fanenan-tsazy telo volana indray kosa ho an’ireo rehetra efa nitsara, ka voaheloky ny fitsarana momba ny ady heloka tsotra. Famelan-tsazy faobe kosa ho an’ireo gadra zokiolona, 65 taona no ho miakatra. Nanindry mafy moa i Andry Rajoelina fa tsy omena famotsoran-keloka faobe, “na androany na rahampitso” araka ny filazany, ireo nahavita heloka bevava, tamin’ny famonoana olona. Marihina fa andraikitra madiodion’ny Parlemanta, izay rafetin’ny olom-boafidy, ny mamaritra amin’ny lalàna ny resaka famotsoran-keloka. Mazava fa tsy voakasik’ity fepetra ity, ireo manamboninahitra miaramila voarohirohy tamin’ny raharaha BANI sy FIGN na Mahazoarivo, nisamborana miaramila maromaro teny Ambohijanaka tamin’ny 2010, ka notanana am-ponja noho izy ireo tsy mbola nitsara. Voakasik’izany ny jeneraly isany Raoelina, Noel Rakotonandrasana ; ny kolonely isany Raymond Andrianjafy, Toto Vincent, Djadifara, Randriamihoatra, Ramboasalama, Charles Andrianasoavina, hatramin-dry Ralitera sy ireo niara-voasambotra taminy tao amin’ny HCC Ambohidahy. Hatreto aloha, tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy ireo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.