Hatramin’izao dia mbola betsaka ireo fanontaniana tsy ahitam-baliny manodidina ny raharaha BANI Ivato. Mila mangarahara ny zava-nitranga sy niseho. Fianakavian’ny iray amin’ireo manamboninahitra no nijoro vavolombelona momba izay niseho sy tao ambadik’ireny hetsika ireny.
Araka ny fanazavana àry dia anisan’ny antony nanaovan’ireo manamboninahitra iny hetsika iny, ny nananganany ny Komity miaramila ho fanavotam-pirenena dia ny fahitan’izy ireo fa tsy voafehin’ny FAT ny raharaham-pirenena ary tsy misy vahaolana amin’ny krizy entin’ny FAT hatramin’ny volana martsa 2009. Ny hanafainganana ny fivoahana amin’ny krizy no tena nahamaika azy ireo, amin’ny alalan’ny fakana anaty fotoana voafetra ihany ny fanjakana ka hamindrana izany amina sivily izay hankasitrahan’ny ankolafin-kery politika maro an’isa. Nisy, araka ny fanazavana ihany, ny fihaonana tamin’ireo tomponandraikitra isan-tokony teo anivon’ny tafika ary dia nandroso tokoa ny fifampiraharahana natao hirosoana amin’izay fitondra-miaramila izay. Ny fampihavanam-pirenena sy ny fiarovana ny tombontsoam-pirenena no nibaiko azy ireo, araka ny fanazavana. Iny sabotsy 20 novambra iny no andro noheverina fa hamaranana sy hanambarana amin’ny fomba ofisialy ny fitondrana miaramila.
Tsy tanteraka anefa izany, hoy ny taratasy satria nivadika tamin’izy ireo tamin’ny ora farany ny jeneraly iray taty ivelany. Nivadika tamin’ny teny nomeny izy, hoy ny fanazavana satria rehefa tokony ho natao ilay sonia farany, dia niara-dia tamina andian’olona nitam-piadiana mahery vaika, nisaron-tava niditra ny BANI izy. Nanomboka teo dia nihazakazaka be ny fandehan’ny toe-draharaha, araka ny fanazavana ihany. Ny tohiny moa dia iny niaraha-nahita iny. Noraisim-potsiny ireo manambninahitra 16 lahy. Anisan’ireo tafiditra tao anatin’izany ny jeneraly Raoelina, araka ny fanazavana ary dia voatery nitolo-batana ny tenany hiarovany ny ainy sy ireo namany. Iaraha-mahalala rahateo fa anisan’ny tanjona sy nanosika indrindra ny FAT tamin’ireny ny fisamborana io manamboninahitra io. Araka ny fantatra dia maratra eo amin’ny masony noho ny herisetra natao azy ny jeneraly Raoelina, na izany aza anefa salama tsara aloha ny lehilahy hatreto. Nambaran’ilay taratasy moa fa eo am-pelatanan’ny mafia i Madagasikara ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.