Politique

Raharaha BANI Nolavina indray ny fangatahana LP


  • Talata 12 Jolay 2011

Tsy fantatra intsony amin’izao fotoana izao izay niafaran’ny antontan-taratasy mikasika ny raharaha BANI.

 Ny tsiliantsofina no nahafantarana fa nangataka fahafahana vonjimaika ho an’ireo manamboninahitra rehetra voakasika tamin’ity raharaha ity ireo mpisolovava azy ireo tsirairay avy ny alakamisy teo. Nolavin’ny fitsarana anefa izany, araka ny fantatra.

Tamin’ny fiandohan’ny taona 2011 ity no efa vita ny famotorana rehetra mikasika ny raharaha BANI ity. Ireo mpisolovava rehetra izay miaro ireo voampanga anefa dia samy very hevitra tokoa noho ny tsy fahitana ny antontan-taratasy mikasika ity raharaha ity.

Hatramin’izao dia tsy fantatra izay marina mikasika iny raharaha BANI iny. Ny fotoam-pitsarana ihany anefa no hany tokana ahafahana mahafantatra ny marina. Mampametra-panontaniana, araka izany, izay antony tsy mbola hanatontosana ny fitsarana ity raharaha ity. Ireo manamboninahitra amin’izany dia any am-ponja tsy fantatra na meloka na tsia.

Ny jeneraly Zafera lehiben’ny FIGN dia efa nanome ny heviny, andro vitsy lasa izay, fa tokony hisy ny fifamelana eto amin’ny firenena. Anisan’ny nagatahiny tamin’izany ny tokony hamotsorana ireto manamboninahitra nogadraina nandritra ny fitondrana tetezamita ireto. Tsy izy ihany fa betsaka ihany koa ireo miaramila tsotra sy manamboninahitra no mitovy hevitra amin’ity jeneraly ity mba tsy hisian’ny mety ho valifaty any aoriana.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT