Politique

Raharaha BANI Nanampy tosika ny RFI


  • Zoma 19 Novambra 2010


Omaly vao tena fantatra ary niseho fa anisan’ireo manampy ny hetsik’ireo manamboninahitra ny avy amin’ny RFI. Ny komanda Roger Luc mihitsy moa no hita tamin’izany manao ny seraseran’ireto manamboninahitra ireto. Ny fiarany no mitondra ireo mpanao gazety mifanerasera amin’ireo ao anatin’ny toby. Nahazo ny tsodranon’ny lehibeny ny komandà Roger Luc raha ny fantatra. Tsy izy ireo ihany anefa ao ihany koa ny lehibe mpitarika ao amin’ny toby BANI. «Tsy mipetrapetra-potsiny ato izahay raha toa ka tsy nahazo tsodrano tamin’ny tompon-trano», hoy ny iray tamin’ireo kolonely ao anatin’ny Komity Miaramila ho an’ny Fanavotam-pirenena. Miha mivoatra ity hetsika ity raha izao fijery azy izao. Ho hita eo ny tohiny. Omaly dia nisy ny fanambarana nataon’izy ireo, milaza fa fanombohan’ny fampihavanam-pirenena no ataon’ny foloalindahy. Niara-nanao sonia izany ny jeneraly Rakotonandrasana Noel sy ny kolonely isany Ravoavahy, Toto Vincent, Coutiti ary ny lietnà kolonely Charles Andrianasoavina.

 r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT