Vokatry ny zava-nisy teny Tsiafahy ny alarobia 13 jolay teo dia voakitika ny hambom-pon’ireo manamboninahitra voafonja.
«Na tsy tokony hiteny aza izahay eo am-piandrasana ny fotoam-pitsarana ity raharaha ity dia tsy maintsy hitantara ihany satria tena mihevitra ny tenany tsy ho voakasika mihitsy ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny tafika amin’ity raharaha ity. Efa notantaraiko tamin’ny famotorana ahy na teny anivon’ny zandary na teny anivon’ny Fitsarana fa ny 9 novambra 2010 izahay dia nivory niaraka tamin’ny Cemgam ka tapaka tamin’izany fa hatsangana ny CMSP (Comité Militaire pour le Salut Public) ka ny jeneraly Ndriarijaona André no filohany. Nanaiky izany izy ary teo amin’ny manamboninahitra 40 teo izahay no nivory tamin’io teny Andohalo. Rehefa natao ny fananganana ilay izy ny 17 novambra dia nivadika ny Cemgam.
Ny tombontsoam-pirenena anefa no nojerenay tamin’ireny satria vonona ny hampihavana ny rehetra izahay na sivily na miaramila hamahana ny krizy haingana. Na ny fianakaviambe iraisam-pirenena aza dia efa vonona ihany koa hiara-miasa taminay tamin’izany fotoana noho ny maha ambony ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy. Na tamin’ny fampifanatrehana anay tamin’ny Cemgam tao amin’ny zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana, ny 5 janoary 2011 dia nanaiky ny fisian’ny fivoriana niarahana io ny Cemgam. Mahagaga anefa fa tsy mba anisan’ireo voaenjika ny tenany», hoy ny fitantaran’ny lietnà-kolonely Andrianasoavina Charles tamin’ireo fianakaviany. Araka ny tsiliantsofina ihany koa dia heno fa misy ny latsa-nenina amin’ireo mpitondra tamin’ny nanagadrana ireto manamboninahitra voarohirohy tamin’ny resaka BANI ireto. Fantatra mantsy fa najanona tampoka indray ilay fikasana hampakarana filankevi-pifehezana ireto manamboninahitra voakasika ny raharaha BANI ireto.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.