Hatramin’ny fotoana nanoratana dia niely be ny feo teto an-drenivohitra fa horavana ny FAT.
Nisy rahateo moa ny fanambarana nataona manamboninahitra ambony mivondrona anatin’ny Komity Miaramila ho an’ny Fanavotam-pirenena teny Ivato teny ka namoahan’izy ireo tsoa-kevitra ny amin’ny hoe “atomboka ny fampihavanam-pirenena tena izy, tsy misy anilihana na iza na iza ; avoaka ireo rehetra voafonja noho ny antony politika ; antsoina ireo rehetra voasesitany any ivelany hiverina eto an-tanindrazana hiaraka hanarina ny tanindrazana iombonana ; rava manomboka izao ny andrim-panjakana rehetra misy ary ny Komity miaramila ho fanavotam-pirenena no mitantana vonjimaika ny raharaham-pirenena ; ankinina amin'ny sekretera jeneraly ny fampandehanana ny raharaham-panjakana eo amin'ny ministera isanisany”.
Ny antony araka ny fanambarana nataon’izy ireo dia “valo amby folo volana izay no niandrandran’ny rehetra vahaolana maharitra mba ho famahana ny krizy politika eto amin’ny firenena. Indrisy anefa fa dia mbola samy miziriziry amin’ny heviny avy na ny andaniny na ny ankilany, ka ny malagasy no mizaka ny voka-dratsin’ny hambom-po diso toerana izay mitarika fahantrana mangitsokitsoka amin’ny vahoaka”. “Manjaka ny tany tsy tan-dalàna sy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena”, hoy ihany ny fanambarana ary “manjaka ny fanamparam-pahefana, very fanahy mbola velona na ny mpanao politika na ny mpandraharaha, indrindra ny vahoaka tsy mandady harona satria tsy misy ny fandriam-pahalemana amin’ny lafiny rehetra”.
Nisy mihitsy moa ny fiantsoana miaramila sy zandary ary polisy hamonjy ny Toby niaviany avy nataon’izy ireo. Manoloana izany indrindra, araka ny vaovao avy amina mpiasa eo anivon’ny fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita Ambohitsorohitra fa nisy toromarika azon’ireo “mpiandry raharaha mba handao ny lapa avy hatrany satria hoe hisy fanafihan’ny tafika”. Araka izany dia mafanafana ny tany. Toa mampatsiahy ny tamin’ny volana martsa 2009.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.