Politique

Raharaha BANI Mihamazava ny resaka


  • Alarobia 20 Jolay 2011

Araka ny fanampim-panazavana avy amin’ny fianakavian’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina dia tsy araka izay voalaza ny sabotsy teo ireo manamboninahitra nivory teny Andohalo araka ny fitantaran’ny kolonely tamin’izy ireo.

 Fantatra mantsy fa «teny amin’ny tranon’ny jeneraly Rakotondranasana Noël teny Ivato no nivory ireo manamboninahitra 40 ny alin’ny 16 novambra 2010. Ny fivoriana teny amin’ny biraon’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika teny Andohalo kosa, ny 9 novambra dia olona efatra no niaraka tamin’ny jeneraly Ndriarijaona André nanapa-kevitra ny amin’ny fananganana ny CMSP (Comité Militaire pour le Salut Public) dia ny tenako lietna-kolonely Charles, ny kolonely Raharijaona Sedera (lehiben’ny toby RFI), ny lietna-kolonely Ralamboharison Serge ary ny kaomandà Roger Luc. Nisy ny fifanekena teo amin’ireo rehetra nanatrika ity fivoriana ity ka anisan’izany ny Cemgam fa hatsangana ny CMSP.

Nandritra ilay fivoriana teny amin’ny tranon’ny jeneraly Rakotonandrasana Noël kosa, ny 16 novambra 2010 dia nitondra manamboninahitra roa lehiben’ny ny kaompania ao amin’ny RFI ny kaomandà Roger Luc nentiny nandresena lahatra ireo manamboninahitra namany tamin’io fivoriana io fa vonona izy ireo ary tsy mila miaramila avy any an-drenivohitra aloha fa rehefa miakatra ny renivohitra vao mifanampy. Teny Ivato mantsy no efa nanomanana hanaovana ny hetsika rehetra tamin’io ny ampitso. Noho ny tahotr’ity kaomandà ity anefa dia nivadika izy rehefa tonga ny fotoana», hoy ihany ny fitantaran’ireo fianakavian’ny kolonely Charles nampita ny zavatra nolazain’ity manamboninahitra ity tamin’izy ireo. Ankoatr’izay dia fantatra ihany koa fa «anisan’ny antony lehibe nampivadika ny Cemgam ny fisian’ny lelavola 7 miliara iraimbilanja. Averiko indray fa efa nolazaiko nandritra ny famotorana ahy na teny amin’ny zandary na teny amin’ny zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana ny fisian’io lelavola io», hoy ihany ny kolonely Charles.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT