Politique

Raharaha BANI Gidragidra tao Tsiafahy


  • Zoma 15 Jolay 2011

Nafanafana tao amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny alarobia 13 jolay teo.

 Araka ny fantatra dia tonga tany ny jeneraly Razafindrazaka Maherison, komandin’ny Rezimanta voalohany Antananarivo tamin’io andro io, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany maraina, niaraka tamina miaramila maromaro mitondra fitaovam-piadiana. Araka ny loharanom-baovao dia nikasa ny haka tsirairay ireo manamboninahitra voafonja noho ny raharaha BANI izy tamin’io ary nitondra «ordre d’extraction». Tsy nanaiky izany anefa ireo manamboninahitra ireo, araka io loharanom-baovao io, ka nisy ny fifanolanana. Nitondra tenin’ireo voafonja ny lietnà-kolonely Andrianasoavina Charles. Nilaza taminy ilay jeneraly fa entina handalo «conseil d’enquête» no ilana azy ireo ary entina tsirairay ankoatra ny jeneraly Raoelina Jean Heriniaina sy ny jeneraly Rakotonandrasana Noël.

Tamin’ny feo avo sy teny hentitra no namalian’ny lietnà-kolonely Charles azy, araka ity loharanom-baovao ity ihany, nilazany fa «Mahamenatra raha izany no toe-tsaina miaramila amin’izao fotoana izao. Latsaka an-katerena ny firenena. Mijaly ny vahoaka, tsy misy tsy mihaika an’izany kanefa vahaolana hitan’ny lehiben’ny miaramila hamahana izany dia ny fitondrana anay amin’ny «conseil d’enquête». Mampitandrina sahady izahay fa resaka politika ity ary na ho ela na ho haingana tsy maintsy hivadika ny rasa. Amin’izay fotoana izay dia ianareo lehibe mitarika amin’izao ireo indray no hatao hazalambo ka hiditra am-ponja. Mangaro-biby an-davaka ianareo satria efa aty am-ponja izahay kanefa mbola ilana vaniny ihany. Matoa izahay nanao ireny hetsika teny amin’ny BANI ireny dia ny hikaroham-bahaolana ary fitiavan-tanindrazana mba hirosoana amin’ny fampihavanana ka hiray hina ny Malagasy rehetra handresena ny krizy. Izao izahay indray no nampidirina am-ponja. Mirefarefa amin’ny tany mihitsy ny toe-tsaina manamboninahitra miaramila izay natao ho an’ny Tanindrazana. Mandehana ianao mandeha fa mbola hihodina ny tantara !».

Lasa tsy namaly intsony ilay jeneraly taorian’io, araka ny loharanom-baovao ihany. Tsikaritra araka izao zava-misy izao fa miha-mitombo ihany ny hantsana eo amin’ireto manamboninahitra voafonja ireto sy ireo lehiben’izy ireo. Araka ny tsiliantsofina ihany mantsy dia milaza izy ireo fa tsy ny fitsarana no nampigadra azy ireo fa ireo lehibeny. Tsikaritra ao ambadik’izao fihetsika izao fa vonona ny handroaka ireto manamboninahitra ireto tsy ho miaramila intsony mihitsy ireo lehiben’ny miaramila. Ho hita eo ny tohiny.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT