Politique

Raharaha BANI Anarana mpanao politika telo sahady no nipoitra


  • Talata 23 Novambra 2010


Tsy niandry ela fa avy hatrany dia nanomboka omaly ny fisavana ny tranon’ny sasantsasany tamin’ireo manamboninahitra izay nosamborina tetsy amin’ny BANI rehefa saika hanongam-panjakana. Ny an’ny Lietnà-Kolonely Charles Andrianasoavina no nandeha voalohany tamin’izany. Nahitana antontan-taratasy maromaro tao izay mifandraika amin’ilay fanonganam-panjakana, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao fanadihadiana. Tao ihany koa ny paik’ady saika nampiasain’ireo manamboninahitra mandritry ny fanonganam-panjakana izay nokasainy. Hatreto aloha dia anarana telo no tena mandeha. Ny iray amin’ireo dia mpanohitra ny fitondrana misy ary efa fanta-daza noho ny mari-boninahitra maro ananany. Ny faharoa kosa dia olona manana andraikitra amin’ny fitondrana tetezamita ihany. Ny fahatelo kosa dia andriambavilanitra izay raha tontosa ilay fametrahana ny fanjakana no noeritreretin’ireo manamboninahitra dia izy io no hapetraka ho praiministra. Mitohy ny fanadihadiana momba an’ity fisamborana izay mampiahiahy ny maro sahady ny amin’ny hoe sao dia mba sarimihetsika no nataon’izy ireo fa tsy fikasana hanongam-panjakana na koa fanjonoana ireo namany izay efa nokarohina fotsiny... 

Fa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT