Politique

Raharaha Alain Ramaroson Tsy misy idiran’ny fitoniana


  • Alakamisy 20 Desambra 2012

Tsy afaka nangina manoloana ny resabe mahavoasoketa ny praiministra lefitra Hajo Andrianainarivelo tamin’ilay famoahana didy fampiantsoana an’i Alain Ramaroson ny talata lasa teo Raharison Liva, Tale jeneralin’ny SEIMAD.

 Ity farany izay talen’ny kabinetran’i Hajo Andrianainarivelo tamin’ny fotoana nampisy ny disadisa niseho masoandro voalohany teo amin’izy mirahalahy voalaza etsy ambony. Nambarany fa nifampitory i Alain Ramaroson sy Hajo Andrianainarivelo noho ny raharaha nahafatesan’i Nadine Ramaroson satria ny iray voalohany nametraka fanahiana tamin’ingahy praiminisitra lefitra ho isany nampamono ny zana-drahalahiny raha nahatsiaro ho afa-baraka kosa ny faharoa. “Niatrika ny fakana am-bavany soa amantsara i Hajo Andrianainarivelo. Rehefa anjaran’i Alain Ramaroson indray ve no ampanantsoina amin’ny fitorian’olona aminy dia milaza fa tsy azo atao fanadihadiana?” hoy Raharison Liva.

Milaza ho gaga amin’ny fanenjehana mafy an’ny praiminisitra lefitra amin’iny raharaha iny koa ny tenany raha nanambara fa maro ireo mpitory an’i Alain Ramaroson fa tsy izy samirery akory. “Mijanona amin’ny fitoriana no azon’ny olona atao fa an’ny fitsarana ny ambiny. Manao ny asany izy ary tsy misy idiran’ny resaka fitoniana (apaisement) iny”, hoy izy. Nodisoany ihany koa ny filazan’ny CST Rabetsaroana Sylvain, mpikambana ao amin’ny antoko AVI tahaka azy, izay nilaza fa tsy nanaja ny fifanarahana ny praiminisitra lefitra matoa mbola nanohy ny fitoriany ihany nefa efa nanatsoaka ny azy ny fianakaviana Ramaroson.

Aminy dia ireto farany mihitsy no nivadika tamin’ny fifanekena. “Efa tena notsoahana tokoa ny fitoriana napetraky ny praiminisitra lefitra saingy vao maika nanamafy ny azy ny ankilany dia tsy maintsy nalefa indray ilay izy” raha ny fanazavan-dRaharison Liva ihany. Nokianiny koa ireo CST sasantsasany tonga teny amin’ny trano fonenan’ ny filohan’ireo vaomiera manokana mpanao fanadihadiana ao amin’ny CST tamin’iny resabe tamin’ny talata iny ka nilazany fa rehefa mpitondra ambony ve no voatohintohina dia manangona olona sy mifaneho firaisankina ? “Tsy izany mihitsy no antony nanaovana ny fanovana”, hoy Raharison Liva.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT