Politique

«Raharaha 7 febroary» Tsy notsaraina omaly


  • Talata 29 Jona 2010

Nekena ny fanemorana izay nangatahin’ny mpisolovava rehetra ireo olona izay voarohirohy tamin’ny raharaha 7 febroary. Raha araka ny nambaran’ny filohan’ny fitsarana ady heloka bevava tsotra dia amin’ny fotoam-pitsarana manaraka no hamerenana ity dosie ity.

Tsy namoaka daty izy tamin’izay saingy raha ny fotoam-pitsarana manaraka kosa no raisina ara-bakiteny dia nanomboka omaly indray izany taorian’ny fety. Tsy nandeha omaly io fotoana io izay marobe ny miandry azy. Ankoatra izay, olona liana ny hanaraka ny fivoarany, izay saika ny Malagasy iray manontolo satria miankina amin’io ihany koa amin’ny lafiny iray ny raharaham-pirenena, dia mbola marobe koa ireo olona voarohirohy (19), ny mpitory (137) ary koa ny vavolombelona (49). Tamin’ny 23 jona teo dia efa nisy ny fihorakorahana eran’ny trano fitsarana rehefa nandeha ny taim-bava teo amin’ireo olona tsy mitovy hevitra izay nanatrika. Nitohy taty ivelany ihany koa izany nandritra ny fivoahan’ny Jeneraly Charles Rabemananjara, praiministra teo aloha, izay saika haneho hevitra teo anoloan’ny mpanao gazety. Handeha amin’ity herinandro ity ve sa kosa hanaraka bebe kokoa ny andininy ao amin’ny «code de procédure pénale» ny fitsarana ka farafaharatsiny hanome valo andro mba hahafahan’ny mpisolovava mandinika tsara ny «acte d’accusation» izay hahafahany mandalina bebe kokoa ny hevitra hiarovana ny olony. Ho hita eo ihany amin’ity herinandro ity ny fivoaran’ny raharaha. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT