Efa-taona lasa izay no nitrangan’ny fitifirana teny Ambohitsorohitra sy Antaninarenina.
Sabotsy ny andro tamin’izay. Nifampitaona tahaka ny fanaon’izy ireo teo amin’ny kianjan’ny 13 mey i Andry Rajoelina sy ireo mpanara-dia azy. Nifanaiky ny roa tonta fa hoe aterina eny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra, hono, ny praiminisitry ny lalana, Monja Roindefo, ka ingahy Ben’ny tanàna no manolotra azy io Lapa io. Raha ny tokony ho izy anefa dia eny Mahazoarivo no toeram-piasan’izany praiminisitra izany fa tsy Ambohitsorohira na Iavoloha. Teo aloha dia efa hafahafa ny raharaha. Totoafo ny fanentanana tamin’izany fotoana fa hoe hiakatra eny Antaninarenina. Nanao andiany ireo olona, teo ny niakatra avy eo amin’ny tohatohabaton’Antaninarenina, teo ireo nihodina avy any Ambohijatovo, nisy koa ny avy any Isoraka. Amin’ny maha lapam-panjakana azy dia voasokajy anaty faritra mena ny lapan’Ambohitsorohitra ka tsy hoe izay te hiditra ao dia miditra.
Nipetraka ny sakana in-telo miantoana nataon’ny mpitandro filaminana ara-dalàna, izay efa midika ho fampitandremana (sommation) sahady ho an’izay manan-kevitra ny hanani-dapa. Niresaka tamin’ny mpitandro filaminana ny solontenan’ireo olon-dRajoelina, anisan’izany ny jeneraly Rasolosoa Dolin, talen’ny kabinetrany tao amin’ny Kaominina tamin’izany ary filohan’ny CST ankehitriny ary mahalala tsara ny lalàna mifehy ny fitandroana ny filaminana sy izany hoe faritra mena izany. Tazana teny an-toerana koa i Sareraka sy Monja Roindefo. Mazava ny tenin’ny mpitandro filaminana fa tsy azo idirana ny lapa ka tokony handamina ny olona nentin’izy ireo ny mpitarika ary hiverina am-pilaminana any amin’izay niaviany. Tsy tanteraka moa izany fa dia efa niaraha-nahalala ihany ny zavatra mampalahelo niseho avy eo. Efa misy ny miaramila mpiambina ny lapa notsaraina ary efa migadra amin’izao fotoana. Raha ny filazan’ny fitsarana dia niaiky izy ireo fa nitifitra saingy tsy nitifitra ny olona mivantana fa nikendry ny arabe, ary “cartouche” na bala iray ihany no nampiasaina. Nahagaga anefa fa maro be ny olona naratra sy namoy ny ainy. Maro be ny resaka mandeha etsy sy eroa fa nisy mpitifitra hafa, tamina toerana ankoatry ny lapa, ary nisy mihitsy ny mpanao gazety avy any ivelany nanao fanadihadiana manokana ka niteny izany.
Aoka hivoaka ny marina
Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ireo miaramila nambara fa niambina ny lapa no nenjehana tamin’ny “raharaha 7 febroary 2009” ary haingana dia haingana ny raharaham-pitsarana sy ny famoahana didy. Fa mba ahoana kosa ny momba ireo nitarika ny olona hiakatra teny Antaninarenina sy Ambohitsorohitra, izay efa nahafantatra tsara fa faritra mena io ary tsy azo atao ny miditra ao, indrindra fa raha mitondra andian’olona izany ? Nahoana no tsy tany Mahazoarivo no naterina ny praiminisitry ny lalana fa tsy maintsy tao Ambohitsorohitra ? Rehefa notenenin’ny mpitandro filaminana ny jeneraly Rasolosoa Dolin sy ny namany fa tsy azo atao ny miditra ao Ambohitsorohitra, ka tokony handamina ny olona nentiny hiverin-dalana izy ireo, moa va tena nanao izany tokoa ry zareo sa nanao inona ? Be loatra ny fanontaniana saro-baliana, ka izay no mahatsara ny hanaovana fanadihadiana lalina momba ny “raharaha 7 febroary” fa tsy maika hanoso-potaka sy hanameloka ny hafa fotsiny.
Atoa Marc Ravalomanana, tsiahivina ihany, dia nitaky hatrany ny hanokafana fanadihadiana mahaleotena, iraisam-pirenena, mikasika iny raharaha iny, hivoahan’ny marina. Teo ankilan’izay ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, hatramin’ny janoary 2011dia nanao ampamoaka mikasika io raharaha io, ary anaran’olona maro no nambarany amin’izany sy ny andraikitry ny tsirairay avy. Hatreto anefa dia tsy nanokafan’ny fitsarana fanadihadiana, na mba nohenoina ireny olona ireny. Inona no antony ? Nisy ny tatitra an-tsoratra mikasika ny zava-nitranga teo Ambohitsorohitra io andron’ny 07 febroary 2009 io nataon’ny jeneraly Raoelina Heriniaina Jean, fa ny zava-misy dia nomelohin’ny fitsarana higadra mandrapahafatiny izy sy ny kolonely isany Andriamihoatra sy Jadifara, ary any am-ponja amin’izao fotoana izao, ankoatra ny filoha Marc Ravalomanana izay sesitany politika any Afrika Atsimo. Etsy ankilany anefa dia milamin-tsaina, tsy misy manelingelina kosa ireo mpanani-bohitra sy nitarika tamin’izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.