Politique

Raharaha 7 febroary Niakatra eo anivon’ny «Cour de cassation» indray


  • Talata 22 Jona 2010


Nolavin’ny tetsy Anosy ny tsy hitondrana ny raharaha eo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava tsotra. Mahakasika indrindra ny «raharaha 7 febroary» izay mahavoarohirohy voalohany an’Atoa Marc Ravalomanana izany. Teo ihany dia nanapa-kevitra ny mpiaro an’itsy farany mba hangataka fanafoanana izany fanapahan-kevitra izany ka nampiakatra ny raharaha eo anivon’ny «Cour de cassation». Raha tsiahivina dia vonoan’olona sy fikasana hamono olona no vesatra mitambesatra amin’ny filoha teo aloha, momba iny raharaha iny. Anisan’ny nihazakazahan’ny ministeran’ny fitsarana ny raharaha raha nandeha ny feo fa hoe hody hanatrika ny fetin’ny fahaleovantena eto an-tanindrazana ny Filoha teo aloha. Tao anatin’ny fotoana fohy aza dia efa tonga hatramin’ny fangatahan’ny ministera amin’ny fanjakana Afrikanina Tatsimo mba tsy hanaiky ny fialokalofany intsony ao ka hampody azy eto Madagasikara mba hotsaraina sy … hofonjaina. Tsy mbola tanteraka aloha izany hatreto ary ny filoha teo aloha rahateo dia nangataka hatrany ny mba hisian’ny fanadihadiana iraisam-pirenena momba iny «raharaha 7 febroary» iny. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT