Politique

Raharaha 7 febroary Nanavotra an’i Manorohanta Cécile ny Jly Rabemananjara


  • Sabotsy 28 Aogositra 2010

Nanomboka tamin’ny valo ora sy sasany toy ny mahazatra ary tsy nifarana raha tsy alim-be ny fitsarana momba ny raharaha 7 febroary omaly, andro faharoa tamin’ny fitsarana io raharaha io.

Niova kely ny fandehan’ny fitsarana satria mba nisy ny fandefasana ny horonan-tsary mirakitra iny ra mandriaka iny mba hahafahana miady hevitra. Nandeha ihany koa ny famakiana ireo tatitry ny vavolombelona izay nataon’ny mpitandro ny filaminana. Ny isan’ny tena nisongadina tamin’izany dia ny an’ny Praiministra teo aloha, ny Jeneraly Rabemananjara Charles. Nanambara io farany tamin’ny mpanao fanadihadiana fa «tsy tompon’andraikitra amin’iny raharaha iny mihitsy ny ministry ny fiarovam-pirenena teo aloha, Rtoa Manorohanta Cécile… Ny antony dia noho izy mpikambana eo anivon’ny OMC, io ambaratonga io anefa dia tsy nanome baiko mihitsy ny nitifitra ary tsy nahazo tatitra akory ny zava-nitranga teny Ambohitsorohitra aza… Tsy fantatra mazava izay tena nanome baiko ka ny tenako aza dia tsy mitsahatra ny mametra-panontaniana momba izany…niezaka ihany ny nanatona ireto tompon’andraikitry ny fiarovana ny lapa sy ny Filoham-pirenena tamin’izany fotoana saingy tsy nety nahazo valiny mahafa-po… Mbola mampametra-panontaniana ihany koa ny antony nahatafidiran’ny Jly Raoelina tao Ambohitsorohitra sy ny nahafahany nanome baiko ireo miaramila tao… Farany dia tokony ho fantatra fa na filoha faratampon’ny tafika aza ny Filoham-pirenena dia tsy tokony hanome baiko hitifitra izy satria anaram-boninahitra fotsiny ihany izany».

Mazava, araka izany, ny fanambaran’ity Praiministra teo aloha ity fa mandetika ny Jeneraly Raoelina izy ho isan’ny tomponandraikitra voalohany, ary mamoaka kosa ny ministry ny fiarovam-pirenena tamin’izany ao anatin’ny raharaha. Hatramin’ny valo ora alina, fotoana nanoratanay dia mbola nitohy hatrany ny raharaham-pitsarana izay nifandimby teo ny fihainoana ireo voampanga, ny vavolombelona ary koa ny adihevitra eo anivon’ny mpisolovava sy ny fitsarana. Tsy tapitra hatreo akory izany satria mbola maro ireo olona henoina ary mbola maro ihany koa ny vavolombelona hifandimby hitantara ny zavatra hitany.

 r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT