Politique

Raharaha 7 febroary Nanao ampamoaka ny jeneraly Raoelina


  • Alatsinainy 13 Septambra 2010

Niala tamin’ny fahanginany ny jeneraly Raoelina Jean Heriniaina taorian’ny nanamelohan’ny fitsarana ady heloka bevava tsotra azy hanao asa an-terivozona mandra-pahafaty, noho ny raharaha 7 febroary.

Karazan’ny ampamoaka mihitsy no nataon’ny jeneraly Raoelina ka namoahany fanazavana amina taratasy 20 pejy, nitaterany amin’ny antsipirihany ny zava-nitranga teo anelanelan’ny 26 janoary 2009 ka hatramin’iny sabotsy 7 febroary iny. Voarakitra ao anatin’izany hatramin’ny resaka, manana endrika tsiambaratelo, nifanaovany tamin’ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana. Ity farany izay nikasa hanendry azy ho lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika, fanendrena izay noheverin’ny jeneraly Raoelina, fa tsy dia amin’ny fotoany loatra noho ny toe-draharaha efa namaivay teto amin’ny firenena. Ao anatin’ity tatitra an-tsoratra ity ny jeneraly Raoelina no manazava ny andraikitra tanany sy ireo mpiara-miasa akaiky taminy, toy ny kolonely Jadifara, kolonely Ralaimihoatra, ny kaomisera Mbinina tamin’ireny vanim-potoana ireny. Izy izay nambarany fa mpanolotsaina ara-miaramila no andraikiny, tsy nitana basy fa nanara-maso sy nitatitra izay zavatra hitany sy reny. Araka ny tatitra nataony dia any amin’ny Talen’ny fiarovana ny Lapam-panjakana ny andraikitra feno manodidina iny raharaha iny. Hanokatra adihevitra vaovao ary hanova zavatra maro manodidina ny fomba nitondrana ny fitsarana iny raharaha 7 febroary iny ity taratasy ity. Hotaterina manaraka eto ihany ny tohiny. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT