“Mandeha amin’ny tsy izy mihitsy ny fitondrana ny firenena any Madagasikara”, hoy i Marc Ravalomanana raha nitafa sady naneho ny heviny mivantana toarian’ny fanamelohan’ny “Fitsarana” FAT azy hanao asa an-terivozona mandrapahafaty mikasika ny raharaha 7 febroary.
“Mitsanga-menatra, ary mandeha any amin’ny kizo ny firenena Malagasy. Tsy azo ekena ary tsy hisy hanaiky na oviana na oviana ireny fitsarana mamoafady ireny”, hoy ihany izy nanamafy. Raha ny lalàmpanorenana, hoy izy dia tsy azon’ny fitsarana tsotra atao ny mitsara filoham-pirenena na iza na iza. Na ireo miaramila koa aza dia tokony ho tribonaly miaramila no tokony hiandraikitra azy ireo. Manoloana izany indrindra dia nanao antso avo tamin’ireo miaramila ny filoha mba hijery akaiky ireo namany any am-ponjan’i Tsiafahy sy Antanimora. Fadiranovana sy mijaly izy ireo noho ny asa nataony, hoy izy. “Nanao ny asany izy ireo, sanatria tsy olona nitsangantsangana na nitsidika ny lapa no notifirina fa noho ny fitondrana olona hiditra amboletra ao an-dapa”, hoy ihany ny filoha faratampon’ny foloalindahy.
Momba iny raharaha 7 febroary iny moa dia mitaky ny tokony hisiana fanadihadiana manokana, mahaleotena sahanin’ny sehatra iraisam-pirenena ny filoha Ravalomanana hahalalana ny marina. Tsara fantarina, hoy izy, hoe avy aiza ny tifitra? Iza no nitifitra ? Naninona no nisy voatifitra? Nisy nitondra nankeny an-dapa ve ireo olona ireo ka nihoatra ny faritra mena, tsy azo aleha? “Hampandroso ny vahoaka Malagasy no nataoko fa tsy sanatria ny hamono azy”, hoy ihany izy nanamafy ny teniny. “Ireny fitsarana nanamelohana ahy ireny dia tsy misy fiantraikany velively amiko fa ny mampalahelo ahy dia ireo miaramila, ireo olona nanao ny asany, tandroka aron’ny vozona. Alaivo sary an-tsaina raha tafiditra tao an-dapa ireny olona ireny, vao mainka ho betsaka ny fahavoazana”, hoy Atoa Ravalomanana. “Ireny fiampagana ireny dia entina handotoana ahy”, hoy ihany ny filoha raha niaro tena. In-3 izao no niampangana ny filoha Ravalomanana, araka ny fanazavany.
“Ny voalohany dia ny resaka fividianana fiaramanidina izay tsy amin’ny anarako, na an’ny fianakaviako, fa amin’ny anaran’ny fanjakana; ny faharoa dia ny fiampangana famarotana tany tamin’ny Daewoo izay lainga tsotra izao, ary ny fahatelo dia ny momba ny fanotorana tany tetsy Andohatapenaka; dia lazaina fa mbola izaho koa no nanome baiko teny Ambohitsorohitra. Nolazaina fa izaho daholo no nanome ny baiko. Tsy marina izany, fa mbola tao ny praiministra izay lehiben’ny OMC, tao koa ireo tomponandraikitra isan-tokony”. Entina hanamelohana fotsiny, fankahalana tsotra izao ireny rehetra ireny, hoy ihany ny filoha Ravalomanana. “Matokia ianareo fa hijoro hatramin’ny farany isika”, hoy izy. Niantso ny ao amin’ny fitsarana ihany koa ny tenany hanao ny marina na dia eo aza ny teritery isan-karazany satria andrandrain’ny vahoaka izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.