Politique

Raharaha 7 febroary Matahotra famotorana iraisam-pirenena ny FAT


  • Alarobia 16 Jona 2010

Tsy mihevitra ny hiantso mpanao famotorana iraisam-pirenena momba ny raharaha 7 febroary 2009 ny FAT fa handray an-tanana samirery ny raharaha ary hitsara ny filoha Marc Ravalomanana izay ambarany fa tompon’antoka voalohany tamin’iny.

Nanambara ny minisitry ny fitsaranan’ny FAT, Razanamahasoa Christine omaly fa efa an-dalana ankehitriny ny fangatahana fiaraha-miasa amin’i Afrika Atsimo mba hamerenana ny filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana ka hahafahana mitsara azy. Hihazakazahan’ny FAT mihitsy ity raharaha ity satria efa nisy ny famoahana daty hitsarana ny filoha teo aloha mialoha ny fetim-pirenena izao raha tsy misy ny fiovana. Marihina fa ny filoha Afrikanina Tatsimo, Jacob Zuma dia anisan’ny manohana ny fiverenan’i Marc Ravalomanana eto Madagasikara sy ny fahafahany milatsaka hofidiana filoham-pirenena araka ny fanambarany nandritra ny fihaonan’ny Afrika sy Frantsa tany Nice farany teo. Nitondran-dramatoa mpitahiry ny tombokasem-panjakana fanazavana koa ny resaka mandeha momba ny famindran-toerana ny lietnà kolonely Raymond Andrianjafy izay tazonina eny Tsiafahy ankehitriny noho ny fokomiana teny amin’ny FIGN. Araka ny filazany dia anjaran’ny ministeran’ny foloalindahy no manao ny fangatahana saingy hatramin’izao dia tsy mbola naharay ny antontan-taratasy momba izany ny departemanta tantaniny. Nomarihiny koa fa noho ny lietnà kolonely Raymond voapanga amin’ny heloka «de droit commun» no mahatonga ny fitsarana handray an-tanana ny raharaha fa tsy nijanona teo amin’ny sehatry ny fitsarana miaramila  irery izany. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT