Politique

Raharaha 7 febroary “Mandry ny saiko ary madio ny tanako”, hoy Ralitera


  • Zoma 25 Jona 2010

Ny 27 aprily 2009 no nanafihana vondrona miaramila milaza ho avy amin’ny Cnme ny Fitsarana avo momba ny Lalŕmpanorenana na HCC.

Iny andro iny ihany koa no nisamboran’ireo vondro-miaramila ireo ihany ny lehiben’ny fiarovana teo anivon’ny HCC, ny kolonely Ralitera Andriamalala Andrianandraina. 14 volana izao no nitazonana azy am-ponja ka ny 7 volana tany Tsiafahy, 4 tao Antanimora, ary 3 nanaraka fitsaboana teny amin’ny Hjra. Anisan’ireo olona notsaraina satria voalaza fa voarohirohy amin’ny raharaha 7 febroary ny tenany. Ny anarany rahateo no lohalisitra amin’ireo anarana 19. Nisy moa taratasy nosoratan-dRalitera Andrianandraina nanehoany ny alahelony momba izao fihazonana azy tsy ara-dalàna izao. “Tonga ny fotoana hiarovako tena eto anatrehan’ny fitsarana manoloana ireo fiampangana ahy izay nandoto ny voninahitro sy ny fianakaviako», hoy i Ralitera. Betsaka ireo mahafantatra fa tsy manan-tsiny aho ao anatin’ity raharaha ity.

Hafa ireo tompon’andraikitra fa tsy ny tenako, hoy ihany izy ao anatin’ilay taratasy. Ny andraikitro naha lehiben’ny fiarovana ahy tao amin’ny HCC dia mora nanaovana ahy ho lasibatra. Tsy mitombina ny fiampangana ahy, ary tsy ara-dalana ny fanagadrana ahy, hoy ihany izy. Na dia teoa za ireo herisetra natao ahy, na ara-batana na ara-tsaina dia tony hatrany aho. Tsy ‘hero’ aho na koa olo-meloka, hoy izy fa tompon’andraikitra voalohany amina fiarovana andrim-panjakan’ny repoblika. Izaho no nandray ny ‘requête de reconnaissance’-n’ny HAT teny am-pelatanan’i Ny Hasina Andriamanjato, izaho no niantoka ny fiarovana an’i Andry Rajoelina sy ny toerana rehetra teny Mahamasina tamin’ny nametrahana azy ho filohan’ny HAT, hoy ihany i Ralitera Andrianandraina ao anatin’ilay taratasy misokatra. «Mandry ny saiko ary madio ny tanako. Ireo tena tompon’andraikitry ny 7 febroary 2009 dia mahafantatra izany fa dia karazana ‘bouc émissaire’ fotsiny ihany aho”, hoy ihany izy. Matoky ny fitsarana aho ary manantena fa hamerina amiko ny fahafahako sy ny voninahitro izany fitsarana izany. Manoloana izany indrindra dia angatahiko mba ho ny tena marina, ny fijoroako vavolombelona fa tsy tsaho na koa fitsarana ahy ivelany no hitsarana ahy. “An’ny rehetra ny fitsarana, matoky azy aho ary dia tsy maintsy hiseho ny marina momba ity raharaha ity indray andro any”, hoy Ralitera A. Andrianandraina. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT