Hodinihina ary handraisana fanapahan-kevitra mandritra ny fivorian’ny Filankevi-pilaminana sy fandriampahaleman’ny Vondrona Afrikanina atao any Addis Abeba anio ny sori-dalana nasiam-panitsiana handaminana ny krizy eto Madagasikara.
Hisy, araka izany, ny fihainoana ny tatitra hataon’ny mpanelanelana mikasika izany. Eo ampiandrasana izay ho fanapahan-kevitra eo dia mitana ny sain’ny maro eto an-toerana ny raharaham-pitsarana ilay fitifirana nitranga teo Ambohitsorohitra ny sabotsy 07 febroary 2009, ka nahafatesana sy naharatrana olona avy amin’ireo mpanao fihetsiketsehana teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, nentin’ny mpitarika azy ireo haka Lapam-panjakana fa hoe hametrahana ny praiminisitry ny lalana. Niisa 19 ireo voampanga tamin’io raharaha io ary efa nisy didim-pitsarana nivoaka ny 28 aogositra 2010, izay manameloka ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana sy manamboninahitra miaramila vitsivitsy hanao asa an-terivozona mandrapahafaty. Handalo fitsarana indray anefa ny raharaha manomboka rahampitso. Atoa Marc Ravalomanana dia manizingizina fa madio ny tanany. Nitondra ny raharaha eo amin’ny Tribonaly iraisam-pirenena rahateo ny tenany, mangataka ny hanokafana fanadihadiana mahaleotena iraisam-pirenena hamantarana ny marina mikasika iny 07 febroary 2009 iny. Maro rahateo ny resaka mandeha, fa ny mitoetra dia ny taratasy fijoroana vavolombelona nosoratan’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina tamin’ny 14 janoary 2011 andaniny, ary ny nataon’ny jeneraly Raoelina Jean Heriniaina tamin’ny septambra 2010 ankilany.
Sora-tanana ary misy pejy 11 ny taratasin’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina. Ny pejy fahatelo amin’ilay taratasy no itantarany amin’ny antsipirihany ny fanomanana iny 07 febroary 2009 iny. Nambarany fa teny Ambatobe teny no nisian’ny fivoriana farany nikotrehana azy iny, ny harivan’ny zoma 06 febroary 2009. Nitanisa anaran’olona 12, ahitana jeneraly misotro ronono, mpanao politika, minisitra taloha ary mpanakanto ny kolonely Charles, izay ambarany fa nandray anjara tamin’ilay fivoriana sy namaritra ny tanjona hotratrarina tamin’io sabotsy 07 febroary io. Tontosa izay dia nisy, ny harivan’io 07 febroary ihany, ny fivoriana natao teny amin’ny Etamazaoro miaramila Andohalo teny, nananganana ny «Collectif des jeunes officiers suppérieur», notarihin’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina izay komandà tamin’izany fotoana. Tatitra an-tsoratra ihany koa izay nahatratra 20 pejy kosa no nitantaran’ny jeneraly Raoelina Jean Heriniaina amin’ny antsipirihany ny zava-nitranga ny andron’io 07 febroary 2009 io. Anaran’olona maromaro koa no voarakitra ao anatin’ilay tatitra, izay raha ny fitantarany dia vavolombelona amin’ny zava-nitranga rehetra ny tontolo andron’io andro sabotsy 07 febroary io. Na hatramin’ny resaka an-tariby nifanaovan’ny jeneraly Raoelina tamin’ny filoha Marc Ravalomanana aza, voarakitra ao anatin’ilay tatitra an-tsoratra avokoa. Nampitsikafona zavatra maro ny fisian’ireo taratasy ireo, ary mety hanova ny fanapahan-kevitra horaisin’ny fitsarana. Miandry moa ny rehetra hoe : hantsoin’ny fitsarana hiseho mandritra ity raharaham-pitsarana hatao manomboka rahampitso ity avokoa ve ireo olona rehetra voatonontonona tao anatin’ny taratasin’ireo manamboninahitra ireo sa havela amin’izao ? Olona mitana toerana ambony amin’izao fitondran’ny Fahefana avon’ny tetezamita izao avokoa mantsy ny ankamaroan’izy ireo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.