Politique

Raharaha 7 febroary Hentitra ny mpisolovava ireo voampanga


  • Alarobia 25 Aogositra 2010

Tsy voahaja ny fombafomba rehetra tokony hitsarana raharaha, hoy ireo mpisolovavan’ireo voampanga tamin’iny raharaha iny. Izany no nahatonga azy ireo nivoaka ny efitrano fitsarana ny alatsinainy 23 aogositra nitsarana indray ny raharaha.

Raha nihaona tamin’ny mpanao gazety ireo mpisolovava ireo omaly dia nanazava fa nandefa ny raharaha eny anivon’ny fitsarana mpandrava didy manohitra ny didim-pitsarana nivoaka ny 21 jona manondro ny hitsarana io raharaha io eo anivon’ny Fitsarana ady heloka bevava, haramin’izao anefa dia tsy mbola nisy didy navoakan’ity ambaratongam-pitsarana ity na dia efa dila aza ny iray volana tokony hanatontosana izany. Tokony handrasana izay didy avoakan’ny fitsarana mpandrava didy izany, izay hilaza raha feno ny fepetra ka azo tsaraina na tsia ny raharaha ary koa hamaritra izay sampam-pitsarana hitsara izany satria sady misy sivy ao no misy miaramila. Izay no nanosika ireo mpisolovava ireo hivoaka ny efitrano fitsarana ny alatsinainy teo, raha nisisika ny hanohy ny mpitsara. Ankoatra izay dia tsy nisy mihitsy koa fotoana nahafahan’ireo mpisolovavan’ny voampanga nandinika ireo antontan-taratasin’ady hatramin’ny fotoam-panotorana ka mandrak’androany. Raha ny tokony ho izy anefa, amin’ny karazan-draharaha toy itony dia tsy maintsy dinihana mialoha ireo antontan-taratasin’ady.

 Vokany dia tsy nohajaina ny zon’olombelona, ny zon’ny voampanga hahazo fitsarana tsy mitanila. Na izany aza anefa dia naneho ny fahavononany hiaro hatrany ireo voampanga ireo mpisolovava, koa lavin’izy ireo tanteraka ny mety ho fanendrena mpisolovava hafa hataon’ny ministeran’ny fitsarana hiaro ireo voampanga tamin’ny raharaha 7 febroary. Hentitra ny fanazavan’ireo mpisolovava nilaza fa tsy manaraka ny fepetra mifehy ny asan’ny mpisolovava izany satria sady tsy mitsoa-pahana na koa niala an-daharana. Ain’olona rahateo no voakasik’ity ka tsy azo atao kitoatoa, ary mitaky fotoana sy fahamalinana ny fanatanterahana azy noho izy io mifamatotra amin’ny resaka politika. Koa fahendrena ny tsy irotorotoana na koa hanaovana hazakazaka arahin-tosika aminy, araka ny fahitan’ireo mpisolovava azy ireo azy. Raharaha mitohy, araka izany ity raharaha 7 febroary. Ny alakamisy ho avy izao no hamantarana ny ho tohiny. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT