Politique

Raharaha 7 febroary Handalo fitsarana indray


  • Alarobia 29 Jona 2011

Hotsaraina ao Anosy amin’ny Alakamisy 07 sy zoma 08 jolay ho avy io indray, raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany, ny raharaha 07 febroary 2009.

 Mipoitra izany taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC nilaza fa miverina an-tanindrazana tsy misy fepetra ireo sesitany politika rehetra, anisany ny filoha Marc Ravalomanana. Fitsarana ambony izy ity, taorian’ny fampakarana nataon’ny mpiaro ireo manamboninahitra voampanga ho anisan’ny tompon’antoka tamin’iny raharaha nisiana tifitra nahafatesana olona teo anoloan’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra iny. Hiakatra fitsarana amin’ireo daty ireo ny jeneraly Raoelina Jean Heriniaina sy ny kolonely Jadifara ary ny kolonely Andriamihoatra, izay nosazian’ny fitsarana hanao asa anterivozona mandra-pahafaty, noho iny raharaha 07 febroary iny.

Any Tsiafahy nanomboka ny 20 novambra 2010 avokoa izy ireo, taorian’ny raharaha BANI. Miteraka resabe ny fitsarana ity raharaha 07 febroary ity. Teo aloha dia nihazakazahana ny fitsarana azy. Ny 23 jona 2009 dia efa raikitra. Mitaraina ireo mpisolovavan’ny voampanga miisa 19 ao anatin’ity raharaha ity, ka lohalisitra amin’izany ny talen’ny fiarovana tao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, Ralitera Andrianandraina, arahin’ny filoha Marc Ravalomanana, fa tsy voahaja ny zon’ny olona arovan’izy ireo, ary tsy mba afaka nijery ny antontan-taratasin’ady akory.

Fifanandrifian-javatra fotsiny ihany sa tena nokendrena, fa dia nifanindran-dalana tamin’ilay dinika politika nitadiavana vahaolana hivoahana amin’ny krizy, izay nokarakarain’ny CNOSC teny Vontovorona no nanatanterahana ny fitsarana ity raharaha ity. Ny marainan’ny sabotsy 28 aogositra 2010 no nivoaka ny didy. Asa anterivozona mandra-pahafaty ny sazin’Atoa Marc Ravalomanana, toy izany koa ny an’ny jeneraly Raoelina, ny kolonely Serge Anatole Ralamboarison ary ny zandary GP2 Fikisy Lidy. Nilaza i Andry Rajoelina taorian’izay fa tsy misy idirany ny raharaha fa dia malalaka ny fitsarana namoaka iny didy iny. Noraisin’Atoa Marc Ravalomanana ho toy ny tsy misy moa ity didim-pitsarana ity. Ireo mpisolovava azy rahateo dia samy nilaza fa filoham-pirenena Atoa Marc Ravalomanana, ka tsy mahefa mitsara azy ny fitsarana nandinika ny dosie sy namoaka didy. Nitondra ny raharaha eny anivon’ny Tribonaly iraisam-pirenena Atoa Marc Ravalomanana, ary nanamafy fa tsy hamela iny raharaha iny ho vita mora amin’izao.  Nangataka ny hanokafana fanadihadiana mahaleotena iraisam-pirenena mikasika iny raharaha 07 febroary iny ny tenany, hivoahan’ny tena marina sy izay tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona nitranga teo Ambohitsorohitra iny.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT