Politique

«Raharaha 7 febroary» Ara-dalŕna ny manani-bohitra, mampigadra ny miaro Lapa


  • Zoma 08 Jolay 2011

Nolavin’ny fitsarana ireo fanamarihana tsy fanarahana paik’ady heloka nataon’ny mpiaro ireo voampanga, ary dia nohamafisiny ny didy nivoaka ny 28 aogositra 2010, manameloka ireo manamboninahitra miaramila isany, ny jeneraly Raoelina Jean Heriniaina, ny kolonely Andriamihoatra ary ny kolonely Djadifara hanao asa an-terivozona mandra-pahafaty.

 Izay no fanapahan-kevitry ny mpitsara omaly, rehefa nisintona nandritra ny ora roa taorian’ny fihainoana ny fiarovan-tena nataon’ireo voampanga telolahy sy ny mpiaro azy andaniny ary koa ireo niharam-boina (?) sy ny mpiaro azy ankilany. Voampanga ho namono olona sy nanao fandripahana tamin’ny alalan’ny vela-pandrika niniana izy ireo tamin’ny 07 febroary 2009. Nanda hatramin’ny farany ny fiampangana azy anefa ireto manamboninahitra ambony telo ireto. Tao anatin’ny adim-pamantaranandro folo no nizoran’ny fitsarana. Feno hipoka ny efitrano faha-5 tamin’io, tomefy olona koa tety ivelan’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy, na teo aza ny miaramilan’ny Emmo-Reg, fiarakodia maro. Nafanafana ihany ny fifandaharana, ary nisy fotoana niato kely mihitsy noho ny tabataba satria nisy ny nentin-kafanam-po, indrindra ny mpanohana ireo voampanga, ka voatery navoaka ny efitranom-pitsarana ny olona sasany.

Ny jeneraly Raoelina no nampahatsiahy ny rafitra miaramila sy ny fipetraky ny fibaikoana ary nanazava ny “principe de zéro casse” nampiharina tao anatin’ireny vanim-potoana ireny mba tsy hisian’ny ra latsaka na aina nafoy, na avy amin’ny mpitandro ny filaminana io na avy amin’ireo mpanao fihetsiketsehana. Niaiky ny tenany fa teny Ambohitsorohitra ny marainan’io 07 febroary io, saingy nanamafy kosa fa tsy manana andraikitra velively amin’ny fibaikoana ireo miaramila mpiandry lapa fa an’ny Talen’ny fiarovana ny Lapa izany. Ny kolonely isany Andriamihoatra sy Djadifara kosa dia samy nanamafy teo anetrahan’ny fitsarana fa tsy nanana andraikitra velively tao Ambohitsorohitra ary tsy afa-nandingana intsony io Lapa io efa fotoana ela noho ny famerana nataon’ny Talen’ny fiarovana ny Lapa tamin’izany, fa noho ny fiangavian’ny jeneraly Raoelina dia mpanome vaovao an’ity farany ihany no nataon’izy ireo. Nangataka ny hisehoan’ny lietna-kolonely Andrianasoavina Charles eo anoloan’ny Fitsarana ho vavolombelona kosa ireo mpiaro ny voampanga, noho io manamboninahitra miaramila io diso mahalala loatra ny nanomanana iny 07 febroary iny teny Ambatobe teny.

Nolavin’ny fitsarana anefa izany. Nanamarika koa ny fiarovana fa manamboninahitra ambony ireo olona arovany, ka araka ny lalàna manan-kery dia tokony hisy taratasy fanomezan-dalana avy amin’ny lehibeny ny fanenjehana azy ireo, saingy tsy nisy izany. Tsy nahoan’ny fitsarana koa io fanamarihana io. Nanao fanamarihana koa ny fiarovana fa nanao fanohanana ny fanapahana nataon’ny “Chambre d’accusation” nandefa ny raharaha hotsaraina amin’ny ady heloka bevava izy ireo raha tokony ho tribonaly miaramila no mandray an-tanana izany, satria miaramila no voakasika. Tsy noraisina moa ny fanamarihana fa dia naroso ihany ny raharaham-pitsarana. Ny hanamafisana ny sazy tamin’ny 28 aogositra 2010 no fehin-tenin’ny fampanoavana, na tsy nisy porofo mazava mahakasika izany aza ary dia io ihany koa no nohamafisin’ny mpitsara raha namoaka didy. Fitsarana politika izy ity, ary nampoizina ihany ny didy, na tsy nahafa-po ny voampanga sy ny mpisolovava azy ireo aza.

Milaza ny tsy hipetra-potsiny rahateo ireto farany fa hitondra ny raharaha amin’ny fitsarana an-tampony, handrava iny didy iny, izay ho lasa didy fakan-tahaka manomboka eto, manome alalana fa azo atao izany ny manani-dapa eto Madagasikara, raha fady izay eran’izao tontolo izao. Fa fanontaniana mipetraka koa ny hoe, mbola hisy miaramila ho sahy hiaro Lapa ve manomboka eto ? Asa an-terivozona mandra-pahafaty mantsy no sazy miandry izay rehetra ao anaty Lapa amin’ny fotoana isian’ny fananiham-bohitra, raha ity didim-pitsarana ity no raisina. Anatin’ny fikatsahana vahaolana hivoahana amin’ny krizy i Madagasikara, ary zava-dehibe amin’izany ny hisian’ny fitoniana. Manalavitra ny hisian’ny fitoniana anefa raha ity didim-pitsarana nivoaka omaly ity. Vao mainka aza hampitombo ny fifandrafesana ary ahiana hamboly valifaty eo amin’ny samy miaramila, izay mety hitatra amin’ny sivily koa.

 

Nangonin’i Jean D. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT