Miteraka resabe isan-taona ny fankalazana ny datin’ny 29 martsa 1947 izay vao notsaroana 3 andro lasa izay.
Mbola naneho ny heviny mikasika ny fahitan’izy ireo ny zava-misy marina tamin’izany fotoana ry zareo avy eo anivon’ny antoko Otrikafo tarihin’ny filohany, Rajaonah Andrianjaka. Ho azy, ny raharaha 1947 no antony tsy nahazoantsika fahaleovantena. Ny fanapoahan’i Baron, lehiben’ny polisy tamin’ny fanjanahantany sy ny namany no nampandamoka ny tolona am-pilaminana tsy nisy fiheverana ny hisian’ny ra mandriaka nataon’ny MDRM. Tsinjon’ireo kolonialy io ka nahatonga azy ireo nanomana iny tolom-pamonoam-bahoaka iny tamin’ny alalan’ny fampiasana ireo mpitsikilo 2 dia Samuel Rakotondrabe sy Edmond Ravelonahiana. Fahaleovantena sandoka no nomena vokatr’io ary ireo mpitolon’ny frantsay tao amin’ny Padesm no nasaina nitondra.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.