Politique

Raharaha 2009 Hotsaraina rahampitso Ralitera


  • Alarobia 10 Aogositra 2011

Hiakatra fitsarana indray rahampitso Ralitera Andrianandraina, Talen’ny fiarovana teo anivon’ny HCC sy ireo mpitandro ny filaminana hafa mpiara-miasa aminy.

 Fanohintohinana filaminam-bahoaka avy amin’ny alalan’ny fitazonam-basy tsy nahazoana alalana, vonoan’olona, fikambanan-jiolahy ary fikotrehana zavatra entina hanohintohinana ny filaminam-bahoaka. Ireo no tena antony nisamborana ka nitazomana azy ireo hatramin’ny volana aprily 2009. Izany hoe efa 27 volana, efa mihoatra be ny fe-potoana hahafahana mitazona olona vonjimaika am-ponja no manjo an’ireto olona ireto.

Manohitra hatrany an’izany ny fianakaviany satria be loatra ny tsy marim-pototra momba ny fitazonana ny havany, toy ny hoe aiza ary ireo basy rehetra izay nentina nitazonana an-dRalitera sy ny namany ? Nahoana no tsy hajaina ny lalàna manan-kery momba ny fitazonana vonjimaika am-ponja. Anisan’ny manintona ny sain’ireo havan’ny voatazona ihany koa ny amin’ny tsy nahitana ny fatin’ilay ramatoa izay maty voatifitra tetsy Ambohijatovo. Raha tsiahivina dia nahazo sazy mihantona roa taona Ralitera tamin’ny fitsarana ny raharaha 07 febroary. Arahina akaiky indray ity fitsarana iray hafa ity...

 

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT