Politique

Raharaha 07 febroary Nanitsoka an-dRajoelina ny kolonely Charles


  • Zoma 07 Desambra 2012

Niditra mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby avy any La Réunion nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny fianakaviany tao amin’ny Motel Anosy omaly, ny lietnà kolonely Charles Andrianasoavina.

 Efa mihatsara ny toe-pahasalamany na dia mbola mitohy hatrany ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso atao aminy ao amin’ny hopitalin’ny Saint Denis. Andeha hanao fizaham-pahasalamana any amin’ny hopitaly rahateo izy io niantso io. Nanao antso voin-kava-mahatratra amin’ny tsara sitrapo rehetra moa ny tenany amin’ny fanampiana azy satria mivangongo ny trosa takian’ny hopitaly ao Saint Denis aminy. Manodidina ny 170 tapitrisa Ariary (63.468 euros) ny faktiora amin’ny anarany izay tokony haloany amin’ity toeram-pitsaboana ity nefa tsy manana izany volabe izany izy. Na ny sakafony aza dia malalatanana avokoa no miantoka azy araka ny nambarany. Ankoatra io dia misy koa vola 349.485 euros tokony haloan’ny ministeran’ny fahasalamana malagasy ao amin’ity hopitaly itsaboana ny kolonely Charles ity.

Nilaza koa ny kolonely Charles fa tsy misy mihitsy ny fandraisana an-tanana ataon’ny fanjakana aminy ary vao omaly koa no voarainy ny taratasy avy amin’ny Minisitry ny vola milaza ny fahatapahan’ny fanampiana ara-bola anjaran’ilay mpanaradia azy any an-toerana, dia Ratovonindriana Charlot, rahalahiny. Misy moa ny laharana amin’ny banky napetraky ny fianakaviana ho an’izay terem-panahy dia ny “15081250004”, RIB 93 BOA Antaninarenina Agence B” amin’ny anaran’i Mirarisoa Adelinette.

Takian’ny fianakaviany moa ny hanokafan’ny mpanao lalàna fanadihadiana na “enquête parlementaire” momba ny antony namparary tampoka ka saika namoizana ity manamboninahitra nametraka an’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana ity. “Salama tsara izy no hitanay farany. Iray volana taorian’ny nanakanana anay tsy hamangy azy teny Tsiafahy dia ireny efa nihombo be ireny ny aretiny ary efa tsy nahatsiaro tena intsony vao hitanay teny amin’ny hopitaly”, hoy ny zokiny lahy Ramanantsoa Jean Charles. Ity farany izay milaza fa miahiahy zavatra hafa ny fianakaviana. Fa na dia tsy nanontaniana aza dia namboraka tsiambaratelo momba ny raharaha 07 febroary 2009 koa ny lietnà kolonely Charles Andrianasoavina. Nambarany fa i Andry Rajoelina no namono olona teny Ambohitsorohitra. Nolazainy koa fa ny jeneraly Ndrianarijaona André no nampigadra azy sy ireo namany.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT