Politique

Raharaha 07 febroary Afa-baraka ny ministry ny Fitsarana !


  • Alakamisy 24 Jona 2010

“Tsy misy ny fanajana ny zon’ny olona harovana, tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny fanajana ny famaizan-dalàna momba ny paika ady heloka (code de procedure pénale) na eo amin’ny endrika ivelany (forme) na amin’ny endrika anatiny (fond)”.

Izay ny fandresen-dahatra nentin’ny mpiaro an’Atoa Marc Ravalomanana tamin’ny Filohan’ny fitsarana ady heloka bevava tsotra (CCO), Rtoa Marisette Raboana Rasamison, omaly nandritra ny fitsarana ny «raharaha 7 febroary”. Notarihin’ny Me Hanitriniaina Razafimanantsoa ny fiarovana ary nisy olona telo hafa (vazaha ny iray) nanampy azy tamin’izany. “Tsy nisy mihitsy hatrany am-boalohany ny fanomezana ny dosie anay; tsy nisy mihitsy ny fampahafantarana anay momba ity raharaha ity; tsy voahaja ny telo andro izay tokony tsy hiakaran’ny fitsarana noho ny mbola fangatahanay eo anivon’ny sampam-pitsarana mpandrava didy (Cour de cassation) ny handravana ny didy hahafahan’ny fitsarana ady hekoka tsotra mandray an-tanana ity raharaha ity; tsy misy ny fanomezana anay ny dosie fiampangana ny olona harovanay nefa raha ny tokony ho izy dia valo andro mialoha ny fitsarana dia efa tonga ety am-pelatananay izany…vao minitra vitsy nialoha ny fitsarana anefa vao nozaraina izany, tsy mba nampahafantarina mihitsy izahay mpiaro tamin’izay ambaratongam-panadihadiana rehetra misy eo anivon’ny fitsaranaraha tsy hitanisa afa tsy ireo izahay, hoy ireo mpiaro efatra mianadahy. Avy hatrany dia noraisin’ny filohan’ny fitsarana izany ka na ny procureur général Ranary Rakotonavalona, izay nisolo tena ny Fampanoavana aza, dia tsy nanohitra ny fangatahana rehefa nanontanian’ny fitsarana ny heviny. Rehefa nandeha teo amin’ny adiny iray mahery teo ny fihainoana ny mpisolovava dia nandray andraikitra ny CCO ka nanapa-kevitra ny hanemotra ny fitsarana amin’ny fotoam-pitsarana manaraka, izay raha araka ny tokony ho izy dia ny alatsinainy 28 jona ho avy izao. Raha ny zava-misy izany dia tsy afa-niala ny CCO manoloana ny tsy fanarahan-dalàna nitranga. Voatery nanaiky tsy fidiny, raha ny tena marina dia diso mitombina loatra ny fangatahana nataon’ny mpiaro an’Atoa Marc Ravalomanana. Etsy andanin’izany, tsy azo notontosaina intsony ny baikon’ny ministry ny fitsarana izay dodona sy nanao tamin’ny fomba rehetra ny hisian’ny fitsarana omaly. Afa-baraka tanteraka, araka izany, na teo imason’ny samy mpitsara na teo imason’ny mpahay lalàna. Ny CCO rahateo tsy maintsy niezaka ny nanatsara ny fomba fijery azy ary namoy fa tsy mitanila. Voatery nolavina ny fanerena tamin’ny endriny rehetra.

Fa mbola anisan’ny afa-baraka ihany koa ny Jeneraly Rabemananjara izay nakorain’ny olona teo amin’ny fivoahany ny Lapan’ny fitsarana omaly. “Jodasy, mpamadika, ianao mihitsy no nanome baiko nitifitra ireo olona”, hoy ny hiakiaka nandeha tetsy sy teroa raha saika haneho hevitra teo imason’ny mpanao gazety io praiministra taloha io. Saika natao teo imason’ny vahoaka rahateo izany, asa mba hanadiovany tena, saingy tsy tontosa mihitsy. Narahin’ny olona hatreny amin’ny fiarany ny tenany ary voatery nandositra tsy fidiny. Ny hany teniny dia ny hoe : «amin’ny maha Praiministra ahy teo aloha no ijoroako teo, hilazako hoe : inona no marina ?» sy ny hoe «tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana, indrindra amin’izao vanim-potoan’ny 26 jona izao». Mbola sahiny hatrany aza ny nanambara fa « tsy vavolombelona aho fa nantsoina fotsiny hilaza hevitra ». Kanefa dia voatonona tanteraka ny anarany (anaty lisitry ny vavolombelona) nandritra ny famakian’ny mpiraki-draharaha ny anaran’ireo voapanga sy ireo vavolombelona. Olona roa izany no indray afa-baraka omaly…

 
r.d
 
Ny lisitr’ireo voampanga
 
Ralitera Andriandraina
Marc Ravalomanana
Andrianarimanana Radomarivelo Richard
Commissaire Rakotovao Ambinintsoa (Mbinina)
Général Raoelina Jean Heriniaina
Jadifara Laurent
Andriamihoatra Rajaomision Jules Christian
GP2 Fikisy Lydie
Ralamboarison Anatole Marie Serge (Rio)
Andrianjafimasiniony Bien Aimé
Ramasy Marcel
Fatima Jeannot
Randrimidona Jean Claude
Kotokely Manahirana
Razafindradizy Odilon Parfait
Colonel Razanakoto Alphonse
Colonel Rasolofomanana Jery Emile
Caporal Bruno (Varatra)
René Berthin (Waints)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT