Ny alatsinainy 13 septambra ho avy izao, izany hoe afaka efatra andro no hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena na ny conference national, izay hokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro sy ny fiarahamonim-pirenena.
Hatramin’izao anefa dia mbola manjavozavo ihany ny zavatra tena hodinihana ao, ary maro no velom-panontaniana hoe soso-kevitra avy aiza marina moa izany no hiadiana hevitra. Iny eo ihany fa ny mahavaka ny saina ihany koa dia ny hoe, ahoana ihany ny fananganana ireo rafitra ao anatin’ny tetezamita, izay voarakitra ao anatin’ilay fifanarahana politika nosoniavina teny Ivato ny 13 jolay 2009 ? F’angaha moa miandry ny fahavitan’ny fikaonandoham-pirenena ny fananganana azy io ? Inona no sakana tsy nanaovana izany hatramin’izay ? Raha ny tena marina mantsy dia ny fananganana ny Repoblika fahefatra no tena hibahan-toerana ao, fa tsy fizarana seza ao anatin’ny tetezamita intsony. Ny momba ny lalàmpanorenana vaovao no anisan’ny hevi-dehibe hodinihana amin’izany. Fa eo ihany koa ny momba ny fanaovana politika eto Madagasikara. Ny atahorana amin’ity raharaha ity, dia sao lahy, ho lany andro amin’ny fandrafetana ny tetezamita indray ny fihaonambem-pirenena, fa tsy tena hifantoka amin’ny fametrahana fototra matanjaka hitoeran’ny Repoblika faha-4. Koa dia hiverina indray ny tsy nety rehetra tany aloha satria mbola ilay toerana sy voninahitra no mibahana ao an-tsain’ny mpizaika.
Manarak’izany dia azo antoka fa tsy voahaja indray ny tetiandro efa napetraka hanatanterahana ny fifidianana, raha toa ka aorian’ny fikaonandoham-pirenena, izany hoe afaka tapabolana, vao atsangana ny parlemantan’ny tetezamita sy ilay governemantan’ny fampihavanam-pirenena. Satria mbola handany farafahakeliny herinandro amin’ny fandraisana andraikitra sy famindram-pahefana ireo voatendry rehetra amin’izany, dia hifarana ihany ny volana septambra. Dia aorian’izay vao hiroso amin’ny fanaovana tatitra ny zavatra tinapaka nandritra ny fikaonadoham-pirenena, sy hanazava ilay na ireo volavolan-dalàmpanorenana hatolotra ny vahoaka.
Fa ny tena mampanahy ny maro dia, sao tsy hanaiky ny hanova ny governemanta indray ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina, ka izay vao tena ho raharaha, satria na tany amin’ny Dinika Santatra sy ny fikaonandohan’ny mpanao politika aza, dia efa samy nitaky ny hanovana ny praiministra sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Amin’ny maro an’isa mantsy dia tsy praiministry ny fampihavanam-pirenena, na firaisam-pirenena mihitsy i Camille Vital, izay sady miaramila, mbola am-perinasa no hita fa mitovy firehana amin’i Andry Rajoelina. Olona hafa mihitsy no eritreretin’ny maro fa tokony hotendrena praiministra fa tsy miaramila velively, satria efa mba nahavita ny adidiny ihany tamin’ny fametrahana ny fandriampahalemana ny foloalindahy ka tokony hipetraka amin’izay fa tsy hiditra lalina amin’ny raharaha politika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.