Ny rafi-pitantanana eto Madagasikara mihitsy no tsy mety, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Teza.
Tsy voahaja mantsy ny fitsipi-dalao demokratika izay manome vahana hatramin’izao ny filohan’ny Repoblika sy ny antoko misy azy. Vokany dia izay eo amin’ny fitondrana manana ny fahefana hatrany no tsy maintsy lany amin’ny fifidianana. Mijanona ho haingon-tsehatra fotsiny ireo kandida mpifaninana hafa. Mila manomana hatrany amin’ny 5 tapitrisa dolara moa ireo antoko mandray anjara amin’ny fifidianana iray, araka ny fanazavan-dRakotoamboa Jean Louis. Tetibola izay tsy hananan’ireo antoko politika Malagasy. Tsy sarotra hoan’ny antokom-panjakana kosa ny mikirakira izany satria ny filoham-pirenena amperinasa no lehibe faratampon’ny fahefana mpanatanteraka, tompon’ny fampiasambolam-panjakana. Tsy isalasalana ny filazana fa endrika iray famatsiambola amin’ny fampielezan-kevitra io resaka kolikoly mahavoarohirohy ny mpanolotsaina manokan’ny filoha Rajaonarimampianina io. Ilaina amboarina ny Lalàmpanorenana, ny lalàna momba ny fifidianana, ny lalàna mikasika ny antoko politika ary ny lalàna mifehy ny serasera ho fisorohana ny kolontsainan’ny fifandimbiasam-pahefana amin-kery, hoy ny mpitarika ny antoko Teza.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.