Politique

Rafitra federalisma Tena vahaolana tokoa ve ?


  • Sabotsy 01 Aprily 2017

Hentitra ny fanehoan-kevitr’ireo mpikamban’ny filankevitra momba ny fampihavanam-pirenena (CRN) mikasika ny raharaham-pirenena, indrindra fa ny fifidianana.

 Manamafy hatrany ity vovonana ity fa tsy mbola afa-bela tamin’ny krizy ny firenena nanomboka tamin’ny fahazoana fahaleovantena mandraka ankehitriny. Vahaolana tokana haroson’izy ireo ny fametrahana ny rafitra federalisma eto amin’ny firenena. Samy manamafy izany ireo mpanao politika mivoy ity foto-kevitra ity toa an-dRanjivason Jean Theodore, Hery Raharisaina ary i Tabera Randriamanantsoa. Marihina fa nanamarika ny faha-25 taona nitifirana ireo mpitolona federalista teny Soanierana ny 31 martsa 1992 ireo mpikambana ao anatin’ny CNEF "Conférence Nationale des Entités Fédéralistes”, ka nisy ny fanaterana ny fehezam-boninkazo ho fanomezam-boninahitra ireo mpivoy ny foto-kevitra federalista, izay efa lasan-ko razana ireo. Samy manana ny heviny momba ny rafitra tokony hapetraka eto amin’ny firenena ny mpanao politika, saingy toa samy mitompo teny fantatra amin’ny heviny avokoa. Raha ity rafitra iray voizina ity, ohatra, dia mba efa nisy ve ny fanadihadiana ara-tsosialy sy ara-piarahamonina na dia mikasika ny firazanana sy fiaviana fotsiny aza ? Misy mantsy ny sahy milaza fa tetika hanasarahana ny Malagasy izany ? Ny tena zava-dehibe dia ny fifampidinihana sy ny fifanakalozan-kevitra hijerena ny lafiny tsara sy lafiny ratsin’ny foto-kevitra iray, saingy mbola nofy aloha hatreto, na dia samy mivoy sy milaza ho tia tanindrazana avokoa aza ny mpanao politika rehetra. Hifanatona mba ho amin’ny tombontsoam-pirenena aza tsy vita mainka fa ny hampandroso !

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT