Tsy mampandeha ny fitantanan-draharaha eto Madagasikara, hoy ny Namana Olona Tsara dia natao hiaro ny tombontsoan’olom-bitsy manokana ireo rafitra napetraka eto amin’ny firenena.
Mody fanina sy mandika lalàna tsotra izao ohatra ny Fiadidiana ny Repoblika manoloana ny fampiharana ny andininy faha-54 milaza mazava ny fomba fanendrena ny praiminisitra lehiben’ny governemanta. Harangaranga hatrany kosa ny lalàmpanorenana sy ireo lalàna marobe rehefa mety amin’ny fitondrana mahefa toy ny fahefana manendry sefo fokontany. Antony fototra tsy mampandry fahalemana eto amintsika anefa ny tsy fahafahan’ny vahoaka Malagasy misafidy ny mpitantana eny ifotony izay mahalala amin’ny antsipiriany ny zava-misy ao aminy. Fanapahan-kevitra ara-politika tsy voahevitra mampitombo lonilony isan’andro eny anivon’ny fiaraha-monina toy ny firongatra ny fitsaram-bahoaka ankehitriny, hoy i Tintin Ravonison. Mijanona ho iraka mpanatanteraka didy avy amin’ny fanjakana foibe sy ireo rantsa-mangaikany fotsiny mantsy ireo manam-pahefana voatendry eny amin’ny fokontany. Tsy miasa hoan’ny fokonolona mihitsy moa ireo olom-boatendry manerana ny nosy ireo fa mpanome fahafaham-po ireo antokon’olona mpitondra ny firenena, araka ny fanazavany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.