Politique

Rafidimanana Narson “Avy amiko ny baiko !”


  • Alakamisy 08 Septambra 2016

Nampiaka-peo mikasika ny raharaha Andohatapenaka ny minisitra misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana, Rafidimanana Narson.

Nilaza mazava ity farany fa baiko avy aminy ny tsy maintsy hamitana ara-potoana io fotodrafitrasa io, ka “tsy ekena ny fanakantsakanana izany, satria tombontsoam-bahoaka”. “Tsy matahotra amin’ny baiko nomeko sy ny adidy noraisiko aho, satria ela nijaliana loatra ny vahoakan’Antananarivo amin’ny toby fiantsonan’ny fiara mpitatitra mandeha any amin’ny faritany, ka zon’izy ireo ny mba hahazo fotodrafitrasa tsara mifanaraka amin’ny vanim-potoana”. Noho ireo, dia baiko hentitra no nomeko ny mpiasan’ny minisitera amin’ny fananganana haingana sy ara-potoana io “Gare routière” vaovao io, sy ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’Ivato sy ny “Boulevard de l’Europe”. Nilaza ny minisitra Rafidimanana Narson fa ny sakana nataon’ny “mitonona ho tompon’ny tany” no nahatara ny fanombohan’ny asa.

 

Rakoutou

 


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT