Politique

Radio Mada, Fahazavana, MBS “Tsy maintsy misokatra”


  • Alatsinainy 14 Janoary 2013

“Haino aman-jery tsy miankina nandeha nandritry ny taona maro teto amin’ny firenena ny MBS, ny Radio Mada, ny Radio Fahazavana. Tsy anjaran-dRahajason Harry Laurent, minisitry ny serasera no milaza fa tsy ara-dalŕna ireo”, hoy Ralaiseheno Guy Maxime izay namaky bantsilana tetsy amin’ny kianja Magro Behoririka fa raha “fomba jiolahimboto” no hitondrana ny raharaha dia vonona koa izy ireo.

 “Ny naharava ireo haino aman-jery ireo dia ny fanonganam-panjakana nataon-dRajoelina sy Rolly Mercia tamin’ny 2009”, hoy ihany izy namatrapatratra. Tsotra ny adihevitra, hoy ity mpanao politika ity. Raha nosoniavina ny sori-dalana dia tompon’andraikitra politika nisolotena ny ankolafiny i Andry Rajoelina izay nanao sonia izany fifanarahan apolitika izany izay efa nivadika ho lalàna. “Na tian-drangahy na tsy tiana dia tsy maintsy misokatra ny MBS, ny Mada ary ny Fahazavana”, hoy Ralaiseheno Guy Maxime. Tsy olon-tokana na vondron’olom-bitsy no hampihorohoro eto, hoy ity farany fa firenena iaraha-manana i Madagasikara.

Momba ireo andian’olona mampaneno sotro sy lovia teny Iavoloha nandritra ny lanonana fifampiarahaban’ny samy andrim-panjakana ny alarobia 09 janoary teo kosa dia nambaran-dRalaiseheno Guy Maxime fa vondron’olona 12 eo ho eo izy ireo, mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ary olona efa zatra manakorontana rehefa tsy zakany ny adihevitra. “Raha mihevitra ny hiala amin’ny sori-dalana ny FAT dia mialà”, hoy Ralaiseheno Guy Maxime fa dia ho vita tanteraka ny amin-dRajoelina. “Ny krizy dia tsy hivaha raha tsy mody eto ny filoha Ravalomanana”, hoy izy. Marc Ravalomanana izay naongana teto ary tsy maintsy izy no miverina satria izy no nahavita zavatra ho an’ny firenena. “Arovanay ny safidinay tamin’ny 2002 sy 2006”, hoy ihany Ralaiseheno Guy Maxime. Fantatra moa fa amin’ity anio ity dia ho fotoam-be eny amin’ny kianajan’ny Magro, tsy ny ankolafy Ravalomanana sy Zafy Albert ihany fa eo koa ireo rehetra Pro Ravalomanana.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT