Politique

Radio Fahazavana 110 andro taty aoriana, nafahana ireo mpanao gazety


  • Alakamisy 09 Septambra 2010

Amin’ny endrika faly saingy ny vatana hita ho reraka sy nihena no nivoahan’ireo mpanao gazety miisa enina niampy teknisianina efatra tetsy amin’ny fonjan’Antanimora omaly alina. Tamin’ny valo ora sy sasany alina izy ireo no nivoaka rehefa avy nanasonia ny “décharge” sy ny atontan-taratasy hafa mifandraika amin’ny fahazoany fahafahana vonjimaika.

Nivavaka avy hatrany izy ireo vao nivoaka ny varavaran’ny fonjan’Antanimora, fihetsika nampihetsi-po ny maro tonga teny. “Tsy dia misy ambara betsaka aloha fa ny hamonjy ny fianakaviana no mahamaika taorian’izay dimy volana tsy niarahana izay. Ho hita eo ihany izay fandehan-javatra” raha araka ny fanazavan’i Lôlô Ratsimba, mpanao gazetin’ny radio Fahazavana, onjampeon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, rehefa nanontanian’ny mpanao gazety marobe izay tonga teny an-toerana, sady tonga ny hitsena mba ho mariky ny fiombonam-po no nanao ny asany ihany koa. «Lasibatra tamin’ny filazana ny marina ny mpanao gazety. Tsy nisy ny fiavahana nandritra ny nitazomana anay tao fa dia nafangaro bambaray tamin’ny jiolahy sy ny mpangalatra. Nisy fotoana 50 no nakambana», hoy kosa i Josiane Ranaivo, vavy tokana tamin’izy folo mianadahy mpiasan’ny fahazavana nogadraina ireto. Nohamafisiny fa “mifameno amin’ny maha kristianina ahy ny mitory ny fahamarinana, nefa misy tsy mahazaka izany”. I Jaona Raoly kosa no nampahatsiaro fa «mbola betsaka ireo voatana ao Antanimora noho ny fanehoan-keviny». Tampotampoka ihany ity fanapahan-kevitry ny fitsarana ity.

Tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro mantsy, omaly, no nidina ny baiko izay tsy fantatra mazava hoe avy aiza ny amin’ny hamoahana ireo mpanao gazety faran’izay haingana. Tamin’ny telo ora sy fahefany dia efa nivoaka ny atontan-taratasy voasonian’ny tomponandraikitra manome alalana ny fahafahana vonjimaika ireo olona voalaza etsy ambony. Raha tsiahivina dia ny 20 mey 2010 lasa teo, taorian’ny raharaha FIGN no nosamborina ireo mpanao gazety ireo. Notazomina teny amin’ny BC aloha nandritry ny herinandro, hatramin’ny 27 mey, mba hohadihadiana. “Fandrisihina ireo miaramila hikomy”, fiampangana izay voalaza fa misy fiantraikany amin’ny filaminana anatiny no antony nitazomana sy namonjana azy folo mianadahy. Nandeha hatrany ny fivezivezena Antanimora-Anosy noho ny fanadihadiana. Tsy nahazo rariny mihitsy ireo tao anatin’izay, porofon’izany ny tsy nanomezana mihitsy ny fahafahana vonjimaika izay nangatahin’ny mpiaro ireto mpanao gazety ireto. Omaly, tany amin’ny fotoana tsy nampoizina dia nivoaka tampoka izany fangatahana izany. Tsy fantatra izay mety ho antony fa ho an’ny fianakaviamben’ny mpanao gazety aloha dia fifaliana no nitsenana ireo namana nivoaka teny Antanimora. 110 andro no nitanana ireo mpiasan’ny radio FJKM ireo, ka 7 andro tao amin’ny “violon”-n’ny BC Anosy ary 103 andro tao am-ponjan’Antanimora. 

r.d 
 
Ireo mpanao gazety : Lôlô Ratsimba, Josiane Ranaivo, Jaona Raoly, Tiana Maharavo, Philémon Raveloarison ary Tiburce Soavinarivo. Noafahana niaraka tamin’ireo ihany koa ireo teknisianina roa sy mpiambina roa niara-notazomina hatramin’ny voalohany tamin’izy ireo.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT