Politique

Radanoara Julien Soloy ny «Conseil militaire collégial» ny toeran’ny filoha


  • Alakamisy 06 Mey 2010

Andrasana izay fanapahan-kevitry ny foloalindahy manoloana ny fanirian’i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, hanome ny miaramila ny fitantanana ny minisitera sasany eo anivon’ny governemanta.

Ho an-dRadanoara Julien izay mpampianatra momba ny fifandraisana iraisam-pirenena dia ny fisintahan’i Andry Rajoelina amin’ny fitantanana ny firenena no safidy tsara indrindra ho azy raha manan-kevitra ny hilatsaka hofidiana filoham-pirenena ity farany. Momba ny foloalindahy indray dia manolotra soso-kevitra roa ny tenany ka ny voalohany dia ny fananganana ny «Conseil Militaire Collégial» izay ireo manamboninahitra miara-dia amin’ireo ankolafy efatra miampy izay miaraka amin’i Roindefo sy Rajaonarivelo no mpikambana ao aminy. «Rehefa tsy hitan’ny mpanao politika ny fifanarahana marimaritra iraisana dia aleo ny tafika no hanao azy», hoy i Radanoara Julien. Nomarihiny anefa fa tsy mitondra akory ity komity ity fa manara-maso ny asan’ny governemanta tantanin’ny sivily teknisiana izay tsy miandany amin’ny atsy na aroa. Mbola io komity io koa no manendry ny lehiben’ny governemanta. Mitovitovy amin’izay ihany koa ny soso-kevitra faharoa aroson’ity manampahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena ity. Mijanona amin’ny toerany i Andry Rajoelina saingy tsy mandray anjara amin’ny fitantanana ny tenany fa misolo tena ny firenena any ivelany sy manasonia amin’ny alalan’ny didy hitsivolana izay fanapahan-kevitry ny governemanta entin’ny teknisiana. Mijanona ho mpanara-maso kosa ny foloalindahy. Anjaran’ny governemanta ny mikarakara ny fifidianana filoham-pirenena izay hotontosaina amin’ny faran’ny taona raha ela indrindra saingy mialoha izany dia hotontosaina ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ary hirosoana ny fampihavanam-pirenena, ka amin’izay dia ho afaka milatsaka avokoa izay te hilatsaka. “Tsikafonina avokoa ny marina rehetra momba ny heloky ny tsirairay satria samy tsy misy marina izy ireo dia onerana avy eo ny fahavoazan’ireo niharam-boina sy nitondra takaitra”, hoy izy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT